Toekarena

Fanomezana vahana ny asa fikarohana Misy fiantraikany amin’ny toekarena


  • Talata 03 Desambra 2019

Niditra amin’ny andiany faha-5 ny hetsika fampirantiana ny asa fikarohana na ny Salon de la Recherche au service de l’Economie et de l’Emploi (SREE) izay haharitra 2 andro.

 

 

 

 Notanterahina tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy izany omaly ary nosokafan’ny praiminisitra, Ntsay Christian tamin’ny fomba ofisialy. Tanjona ny hanomezana vahana ireo voka-pikarohana sy ny fahaiza-manaon’ireo mpikaroka eto Madagasikara mba hipaka amin’ny fananana asa sy ny sehatra ara-toekarena. Nanambara ny praiminisitra fa zava-dehibe ny asa fikarohana ary afaka hitondra fampandrosoana sy vokatra tsara amin’ny toekarem-pirenena. Azo aroborobo ny sehatra fandraharahana koa izany indrindra amin’ny fikirakirana ireo teknolojia vaovao. Tetsy an-daniny dia nilaza ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo, Profesora Mamy Ravelomanana fa amin’ny alalan’ny hetsika sahala amin’itony no hanamafisana ny fiaraha-miasan’ny anjerimanontolo sy ireo orinasa. Mbola ambony hatrany ny tahan’ny tsy fananana asa sy ny asa atao tsy mifanaraka amin’ny fari-pahaizana hananana. Ny tanora no tena lasibatra amin’izany ary ny sehatra sahala amin’izao no hampifandraisana ireo tanora ireo amin’ny tontolon’ny orinasa. Ankoatra ny oniversite dia mifarimbona mikarakara ity SREE ity ny Vondron’orinasa eto Madagasikara (GEM), ny FIVondronan’ny MPAndraharaha Malagasy (FIVMPAMA), ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM) ary ny Birao Iraisam-pirenena ho an’ny Asa (BIT). Ny SIM moa izay tena hiantsehatra tanteraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny oniversite araka ny fanambaran’ny filohany, Hassim Amiraly omaly.

Tsirinasolo

 

  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT