Toekarena

Fanoloana maimaimpoana ny “permis” Ölona 500 hatreto no tonga teny amin’ny CIM Ankadimbahoaka


  • Alakamisy 13 Febroary 2020

50 mahery isan’andro ireo olona tonga manatona eny amin’ny Alhambra Ankadimbahoaka, misy ny birao fanampin’ny Centre

 

 

d’immatriculateur  amin’izao manolo maimaimpoana ny taratasy fahazoan-dalana mamily fiara na ny “permis”. Ireo  permis mitondra ny laharana 0 T rehetra  no hisantarana izany amin’izao,  fe-potoana haharitra enim-bolana. Permis  miisa 400 ka hatramin’ny 500 hatreto no efa voasolo, raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny CIM ,  ka ho an’ireo ray aman-dreny mihoatra ny 60 taona dia vita eo no ho eo izany aorian’ny fakana ny sary sy ny fanaovana  saisie ary ny fanaraha-maso farany. Tsy mbola nisy hatreto ny permis vorontsiloza, hoy hatrany  ity tompon’andraikitra ity. Mizotra am-pilaminana ihany koa ny asa saingy ho an’ireo lany visite médicale dia tsy maintsy mbola mikarakara izany izy ireo vao afaka manolo. Miara-miasa amin’ny kaominina Tanjombato moa ny CIM amin’ny fanatanterahana izany mba tsy hivezivezen’ny olona. Misy mihitsy ny mpiasan’ny kaominina tonga ao an-toerana manao ny dépôt de signature, ny légalisation sy ny certification raha toraka izay koa ny fanaovana ny photocopie. Mikasika ny déclaration sur l’honneur, taratasy izay tsy maintsy ilaina  indray dia fantatra fa manome izany maimaimpoana ny CIM. Miantso ny olon-drehetra manana laharana permis 0 T tokony hanolo izany araka izany ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny CIM mba tsy hiandry ny ora farany vao ho avy hanatona azy ireo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT