Nihaona tamin’ny minisitry ny indostria Tazafy Armand omaly ny filohan’ny sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM) Fredy Rajaonera.
Tiko AAA no fototry ny resaka ka nanambaran’ny filohan’ny SIM fa mitaky ny fisokafan’ity orinasa Malagasy ity ny SIM ary tokony hisy ny fifampiresahana. Manohana ny Tiko ny SIM, hoy i Fredy Rajaonera ary tsy maintsy karohana ny hahafahana mamaha ny olana ka hisokafan’ny orinasa indray. Tsy miova amin’ny fomba fijeriny kosa anefa hatreto ny fitondram-panjakana raha ny fandrenesana ny resaky ny minisitra Tazafy Armand omaly izay nilaza fa mila manara-dalàna aloha ny Tiko AAA izay vao mahazo miverina miasa. Tafiditra ao anatin’izany ny fahavitan’ilay “permis environnemental” sy ny “certificate de consommabilité”. Tetsy an-kilan’izay dia nanizingizina ny tale jeneralin’ny Jirama Olivier Aimé Jaomiary fa tsy maintsy mandoa ny volan’ny Jirama ana miliara aloha ny Tiko izay vao miverina ny herinaratra. Tsy misy fifampiraharahana hafa azo atao fa aloavy aloha ny trosa, hoy izy. Fantatra fa mbola hisy atsy ho atsy ny fampiantsoana ny tompon’andraikitry ny Tiko AAA mba hiresaka amin’ny fanjakana .
Fanapotehana ny vita Malagasy
Omaly ihany dia nihaona tamin’ny mpanao gazety teny Belair i Zafilahy Stanislas (TIM) sy Sarah Zoe (Vondron’olon-tsotra) ka nilaza fa tsy tokony hidirana resaka politika mihitsy ny raharaha Tiko AAA. Ny tombontsoan’ny vahoaka no aoka atao ambony indrindra, hoy i Zafilahy Stanislas satria sady mamokatra sakafo no manome asa ary koa manampy ny tantsaha sy ny mpiompy ny Tiko AAA. Azo alamina sy ifampiresahana ny taratasy satria mba misy ihany koa ny orinasa maro tsy manana akory ilay “permis environnemental” kanefa toa afaka mihodina tsara ihany ary misy orinasa vahiny tsy manara-dalàna tahaka izany. “Koa nahoana no hanaovana antsojay tahaka izao rehefa orinasa Malagasy ? ”, hoy izy. Ny 16 septambra lasa teo raha nanontaniana ny antony nanakatonan’ny fanjakana ny haino aman-jery MBS ny filoha Rajaonarimampianina dia nanitrikitrika fa tsy manara-dalàna izy matoa tsy afaka misokatra. Raharaha eny am-pelatanan’ny fitsarana anefa izy io saingy tonga dia noboriborian’ingahy filoha fotsiny ny resaka. Azo antoka fa mitovitovy amin’izay ny resaka Tiko AAA Andranomanelatra ary dia be marenina sy tsy te hahalala ny fanjakana fa ny fanakatonana ihany aloha no mahamaika azy, fihetsika izay efa takatry ny maro fa misy ifandraisany amin’ny maha kandida an’i Marc Ravalomanana amin’ny 2018.
RTT sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.