Toekarena

Fanokafana ny banky Malagasy NIM Mafimafy ny fanokafana azy ao Toliara


  • Alarobia 26 Oktobra 2022

Mitohy ny ezaka fanokafana masoivoho manerana an’I Madagasikara, raha ny mikasika ny banky malagasy, NIM na “Nouvelle institution de microfinance” no resaka, hoy ny tale jeneraliny, Harizaka Rakoto.

Manomana ny fanokafana ny any Toliara izahay izao, hoy izy. Mafimafy ilay izy satria ezahana asesy aloha izany ny fanokafana mba tsy hisy zanak’Ikalahafa amin’ny fahazoana ny tolotra rehetra nomaninay ho antsika malagasy. Manomboka miha matoky anay ny faritra rehetra nanokafana masoivoho izao satria tsy mitsaha-mitombo na ny isan’ny mpanjifa na ny tahiry ary indrindra ny fangatahana fampisamboram-bola izay tsy afenina fa somary sarotsarotra ny manenjika ny filana amin’izao fotoana izao satria avy dia nirohotra ny mpanjifa izay mila ireny fampisamboram-bola ireny. Mizotra araka ny tokony ho izy aloha tato anaty 3 volana ny fitantanan-draharaha ankapobeny. Raha tsy misy ny sampona dia amin’ny herinandro no hisokatra ny any Toliara, hoy hatrany ny tenany. Nomarihina hatrany moa fa malagasy 100% ity banky ity.
J. Mirija
Legende: Ny tale jeneralin’ny NIM
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT