Fanoherana ny Base Toliara

Mpiaro ny zon’olombelona iray nosamborina


  • Alarobia 28 Aogositra 2024

Mafampana indray ny tsy fitovian-kevitra momba ny raharaha Base Toliara na Base Ressources,

orinasa mitrandraka fasimainty na ilménite. Misy ireo olona mbola mitazona ny heviny tsy manaiky an’ity tetikasa ity, ka andian'olona marobe no nikasa haneho hevitra tao Ankilisoafilira ho fanoherana ny Base Toliara omaly. Nampidirina an-tsehatra nandrava izany ny zandary ka nanosika ireo vahoaka marobe ireo. Nosamborina nandritra izany Atoa Solonarivo Tsiazonaly Leon Mpandrindra ny ODH na ny « Observatoires Régionaux des Droits Humains » Faritra Atsimo Andrefana. Voalaza fa naka sary ny zava-nisy ity farany, ka tampoka teo no nisian’ny fiara tsy mataho-dàlana nitondra zandary nibeda azy. Nandritra izany no naka sary Tsiazonaly. Tampoka Téo ni nisy fiara 4X4 nipoitra. Ity farany izay isan’ireo mpaneho hevitra tsy fankasitrahana ny Base Toliara. Efa eo am-pikarohana ny toerana nasiana azy ny mpiaro ny Zon'olombelona eto Toliara ary mirary feo amin’ny alalan'ny famoahana serasera amin’ny tambajotran-tserasera mitaky ny hamoahana azyn, hoy ny fanamarihana azo omaly. Andaniny, voalaza fa efa nanao fifanarahana tamin’ny governemanta Malagasy mikasika ny fanitarana sy fampiroboroboana ny fitrandrahana ataony ny Base Ressorces, raha ny vaovao efa nentin’ny fampalalam-baovao ara-toekerana Agence EcoFin. Tao anatin’ny fandalinana savaranonando, manodidna ny 780 000 taonina isan-taona ny fasimainty na ilménite vokarin’ity orinasa tsy lavitra ny renivohitr’i Toliara ity, 53 000 taonina ny Zircon, ary 7000 taonina ny rutile. Tsy vao izao ity olan’ny Base Toliara ity, fa efa an-taonany ny fifanoherana, saingy tsy mety voalamina hatramin’izao. Tany aloha dia voalaza fa misy akora miteraka olana amin’ny fahasalamana, misy resaka fibodoana tany,… Niezaka nandamin-dresaka ny Fanjakana, ary tany amin’ny aprily 2019 dia nisy Minisitra miisa 6 nalefa nandamin-draharaha saingy io tsy milamina io, fa mitohy ny fifandroritana. Ny 12 aogositra lasa teo nanoloana ny loholona, nilaza ny Praiminisitra fa zava-dehibe ary azo tsapaina ny akony ara-toekerana raha misy ny orinasa miforona toa an’Ambatovy sy ny QMM. Efa nandray volabe tamin’ny Base Toliara ve ny Fanjakana ka na eo aza ny disadisa dia ezahana sarontsaronana ? Toa zary lasa ny filalaovana serasera eo amin’ny mpankasitraka sy mpanohitra ny tetikasa no mandeha, ka ifandimbiasana ny fanehoan-kery, fa ny olana fototra sy lonilony mitoetra. Inona no tsy handaminana tanteraka ity toe-draharaha ity eo anatrehan’ny olana sy tsy fitovian-kevitra maro ?
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT