Toekarena

Fanohanana ny toekarem-pirenena Frantsay Hanokanana tetibola 15 miliara euros isam-bolana


  • Zoma 30 Oktobra 2020

Taorian` ny filoha frantsay Emmanuel Macron izay nanambara fa miverina mihiboka i Frantsa manomboka anio, dia ny praiminisitra Jean Castex no nitondra ireo teboka ho tsara ho fantatra amin` ny fiatrehana ny valanaretina Covid 19.

 

 

Ankoatra ireo fepetra ara-pahasalamana sy toromarika ho an` ny fampianarana dia anisan` ny tena nisongadina ny fiatrehana ny aretina amin`ny lafiny ara-toekarena. Ny fihibohana dia fahavalon` ny orinasa mihitsy satria dia mamono antoka noho ny tsy fahafahana miasa. Nanapahan-kevitra anefa ny fanjakana frantsay fa hanoahana ireo sehatra tsy miankina ka hanokana vola mitentina 15 miliara euros isam-bolana entina atrehina ny fihibohana. Nanambara moa ny minisitry ny vola, Bruno Le Maire, fa ho fanohanana ireo orinasa no tanjona amin` izany. Ohatra: ireo orinasa na sehatry ny varotra mampiasa olona latsaky ny 50 isa ka voatery tsy miasa dia hisitraka tohana ara-bola 10 000 euros na inona na inona ny sehatra misy azy sy ny latsakemboka ara-tsosialy aloany. Amin` ny ankapobeany dia hanokana 6 miliara euros isam-bolana ho fanohana ireo orinasa. Mahakasika ny fampindramam-bola hiantohan`ny fanjakana dia hahemotra herintaona ny famerenana izany. Ho fanohanana ireo orinasa salatsalany sy ireo mpivarotra indray dia manentana ny minisitry ny vola amin` ny fampidirana azy ireo amin` ny nomerika. Izany rahateo no fitiavan-tanindrazana ara-toekarena, hoy izy. Ireo fepetra ireo, araka izany, dia hitentina 15 miliara euros isam-bolana, hoy ny minisitry ny vola hatrany, izay mitsinjara toy izao: 6 miliara ho an`ny fanampiana, 7 miliara ho an`ireo sehatrasa amin`ny ampahany, 1 miliara ho an` ny tsy fandoavana ny latsakemboka eo amin`ny fiahiana ara-tsosialy, 1 miliara ho an`ny hofan-tranon` ireo orinasa. Tafiditra ao anatin` ity tohana ity ihany koa ny fanampiana ho an`ireo tompon-trano. Raha misy tompon-trano ka vonona handefitra hofan-trano iray vola dia hahazo fampindramam-bola 30% amin`io saran`io hofantrano io, hoy hatrany ny minisitra Bruno Le Maire. Ho an`I Madagasikara moa dia tsy hita mazava ny fanampiana ataon'ny fitondram-panjakana ny sehatra tsy miankina anatin'ny ara-dalàna. Andrasana araka izany ny mba vahaolana maika avy amin`ny fanjakana raha sanatria ka miverina amin` ny andiany faharoa ny aretina eto amintsika.

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT