Toekarena

Fanohanana ny orinasa Misy ireo sazy nesorina


  • Sabotsy 16 Mey 2020

Hitarafana ny tanjaka ara-toekaren’ny firenena ny fahampian’ny vola ifanakalozana sy ny fananany ny tahirim-bola vahiny.

 

 

 

Misy akony ratsy amin’ny toekarena ny tsy fahampiana na ny fihenan’izany vola ifanakalozana izany. Efa manomboka hita taratra izany eto Madagasikara vokatry ny krizy ateraky ny valan’aretina coronavirus. Manoloana izany indrindra dia nanapa-kevitra ny teo anivon’ny Fitantanana Ankapoben’ny Tahirim-bolam-panjakana (DGT) hanafoana ireo sazy mety hanohintohina ny fampidiram-bolan’ny orinasa. Amin’ireo orinasa izay efa nampiditra vola vahiny hatramin’ny 80% amin’ny fanondranana ny vokatra nataony dia nesorina ny sazy mety mifandraika amin’izany. Manankery mandrakariva izany hatramin’ireo vola vahiny mbola andrasana ho avy mandrapaha-tapitra ny hamehana ara-pahasalamana araka ny fampitam-baovao. Mampitombo ny harena rehefa miditra avy any amin’ny firenena hafa ny vola satria ahafahana manao fandraharahana hatrany izany. Ankoatr’izay dia naato ihany koa ny sakana tsy ahafahan’ireo orinasa miditra sy misitraka ny “Fitantanana ny fifanakalozana vola vahiny amin’ny rafitra iombonana” na ny Système Intégré de Gestion des Opérations de Change (SIG-OC). Ity farany moa izay ahafahan’ny fanjakana manara-maso ny fivoaran’ny fifanakalozana vola vahiny sy hijerevany ireo izay mety ho fandikan-dalàna rehetra misy. Ny DGT no mamela indray ireo orinasa efa tratran’ny sakana amin’izao fotoana izao ary haharitra hatramin’ny 3 volana aorian’ny fiafaran’ny fotoanan’ny hamehana ara-pahasalamana izany. ireo fepetra ireo no natao hiarovana hatrany ny orinasa sy ny mpandraharaha Malagasy indrindra ireo misehatra amin’ny fanondranana entana.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT