Toekarena

Fanohanana ireo sehatra sosialy Ainga ho an’ny toekarena


  • Zoma 17 Mey 2019

Navoaka omaly alakamisy 16 mey tetsy amin’ny Hotely Le Pavé Antaninarenina ny voka-pikarohana nataon’ny eo anivon’ny fikambanana Faribolana Mpandinika ny Hary eto Madagasikara (CREM).

 

 Nampirisika ny fanjakana izy ireo hampitombo bebe kokoa ny tetibola amin’ny sehatra sosialy. Tokony ho laharam-pahamehana ny sehatra fanabeazana satria io no fototra hamolavolana ny toe-tsaina izay miteraka fahatongavan-tsaina sy fandraisana andraikitra                                                                                                                                                                                                           haingana. Ny olombelona no loharanon’ny harena kanefa izy ihany koa no fototry ny fanapotehana rehefa tsy manana fahalalana. Araka ny fanadihadiana nataon’ny CREM dia mifandray tanteraka amin’ny harinkarena faobe (PIB) ny sehatra fampianarana. Ny fampiakarana 10% izay manome 5,2 tapitrisa  amin’ny isan’ny ankizy mianatra eny amin’ny fanabeazana fototra dia mampitombo 3,5% ny PIB. Mitovy amin’izay ihany koa, ny fampitomboana 10% ny isan’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga faharoa dia manatsara ny volam-panjakana hatrany amin’ny 0, 77%. Ankoatr’izay, raha akarina 10%  ny tahan’ny fampidirana mpianatra eny amin’ny fampianarana ambony dia hiakatra hatrany amin’ny 0,8% ny PIB. Tahak’izay ihany koa ny sehatra fahasalamana sy ny rano fisotro madio. Tsikaritra fa ambany be  ny tetibola atokan’ny fanjakana ho an’ny sehatra sosialy, hoy ny CREM. Raha tsy izao dia efa maka fanapahan-kevitra ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina amin’io fampitomboana io tetibola io dia hiteraka  voka-dratsy izany. Tokony hakarina 20%, hoy izy ireo ny tetibolan’ny sehatra fampianarana,  15% ny fahasalamana. Etsy an-daniny dia mila miakatra 75% ny Malagasy misitraka ny rano fisotro madio afaka 5 taona raha 50% izy amin’izao. Fotoana tokony hanaovana asa no lany amin’ny fitadiavana rano sy lavapiringa eto Madagasikara ary amin’izany anefa dia misy hatrany ny vola very.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT