Fanofanana ho matihanina ara-barotra

Namorona ny « Kentia Sales Mastery » ny Orinasa Kentia


  • Zoma 02 Febroary 2024

Feno 15 amin’ity taona ity ny Vondrona Kentia izay fantatra amin’ny

tontolon’ny varotra sy ny « Service ». Nikaroka foana ny fomba hoe : ahoana ny hanatsarana sy hifehezana ilay sehatra sy hamoahana matihanina amin’io, ka namorona programa vaovao « Kentia Sales Mastery » izany hoe : fifehezana ny fahaiza-manao matihanina amin’ny ara-barotra sy ny tolotra manodidina izany, izay nampahafantarina ofisialy omaly. « Te hanao tolotra tokana satria ny atao hoe : fiofanana ara-barotra dia ny fahaizana mihaino, misy zavatra tadiavin’ny olona. Mifamatotra amin’ny haitarika, firesaka, mahavaly ny filan’ilay olona, ny tolotra tadiaviny, ka ho matihanina amin’izany no tanjona », hoy Atoa Prosperin Tsialonina Filoha Tale Jeneralin’ny Kentia Holding. Fahafehezana ny vokatra sy ny varotra amin’ny sehatra iasany aloha ny 60% amin’ny fiofanana, fa 40% kosa dia teknika sy fahaiza-manao ara-barotra azo hitarina sy ampiharina any amin’ny sehatra maro samihafa. Olona 15 no afaka hisitraka io fiofanana io, ka azo ampiharina avy hatrany izay ianarana. Ny 5 mendrika indrina amin’ireo dia horaisina ho mpiasa hanamafy ny fahaiza-manao ao amin’ny Kentia mandritra ny 3 volana, ary hiafara amin’ny maha mpiasa raikitra. Ny bakalorea aloha sy ny finiavana no isan’ny mason-tsivana. Nisokatra omaly ao amin’ny rohy www.kentia-formation.com/kentia-sales-mastery ny fisoratana anarana, ary mikatona ny 29 febroary. Hanomboka avy hatrany 06 martsa avy hatrany ny fampiofanana 12 herinandro, isaky ny alarobia. Handalina mikasika ny zavatra ataon’ny orinasa, ny sehatra iasany, ny mpiara-miombon’antoka sy mpanjifany, ny kalitaon’ny tolotry ny orinasa,… Hisy avy eo ny mpampiofana matihanina amin’ny sehatra ara-barotra. Manao tantsoroka ho an’ny orinasa sy ny mpandraharaha ny Kentia ka raisiny an-tanan-droa na vahiny na Malagasy, hoy Atoa Prosperin Tsialonina. Ohatra noraisiny ny « package complet » ho an’ny vahiny te hanorina orinasa eto, toy ny fanamorana ny fahatongavany, ny fandraisana azy eto, ny ara-taratasy, fiaraha-miasa amin’ny EDBM, fampahafantarana ny lafiny ara-ketra izay tsy mitovy isaky ny firenena, hatrany amin’ny fitadiavana mpiasa na « recrutement »,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT