Tonga ihany ity ilay fotoana nandrasan'ny maro. Amin'ity volana martsa ity no hotanterahina ny “Stileex Upgrade” andiany faharoa. Fanofanana sy valandresaka mikasika fanatsarana sy fampandrosoana tetikasa tanterahin’i Simon Lee (Stileex), izy io.
Hontosaina mandritra ny Salon Asia/Enjoy Madagascar ao amin’ny Zone Forello Tanjombato ny 22-25 martsa, karakarain'ny Agence Première Ligne. Raha ambara tsotsotra ny momba azy dia mpandraharaha vahiny izy, fa miasa sy monina eto Madagasikara. Nototonsainy tao amin'ny IKM Antsahavola ny andiany voalohany tamin’io fanofanany io, ka olona teo amin'ny 350, mihoatra lavitra noho ny nandrasana no liana sy tonga tamin’izany. Tsara fitontona izany amin'ity taona ity satria ny mpikarakara ny hetsika Asia/Enjoy no nangataka taminy ny mba hanatontosany famelabelaran-kevitra mandritra io hetsika io. Ny Stileex rahateo efa mpandray anjara, ka dia nifanaraka ny roa tonta fa hotontosaina ny 24 martsa manomboka amin’ny 10 ora sasany ny fanofanana. Ny lohatenin'izany ny hoe: "Persévérance, la clé du succès" na koa hoe "Ny fikirizana, antoky ny fahombiazana". Torohevitra maro no ho zaraina amin'izany miampy tantara fohifohy mikasika ny sedra rehetra izay nandalovany tamin'ny nanatotosany ireo tetikasany maro eto Madagasakira : Simafri, annuaire.mg, Openflex... Ny vondrona tsy miankina iray izay vao nosokafan'ity mpandraharaha ity ihany, ONG Stileex Numafri no manomana azy, izay manana tanjona mba hanamora ny fanapariahana ny nomerika aty Afrika no manomana ny hetsika. Maimaimpoana ny fanasana avy amin’ny Stilex Numafri. Hita ao amin'ny Forum ao amin'ny tranokalany. Alaina ilay fanasana ary avoaka an-tararatsy na koa aseho eo amin'ny finday ny sary rehefa eo am-bavahady. Azo atao ihany koa ny maka izany eny amin'ny: mpivarotra Openflex rehetra eran'i Madagasikara, ao amin'ny Wii, Jumbo Ankorondrano na ao amin'i Aty box 614, Suprême Center Andravoahangy.Ny fanasàna dia azonao alaina ato : https://salon.stileex.xyz/t/2e
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.