Toekarena

Fanofana fiara mandeha vakansy Ny vahiny no tena betsaka


  • Talata 18 Septambra 2018

Nanomboka omaly ny fanadinana bakalorea ary ho tapitra ny alakamisy ho avy izao.

Arak’izany dia mbola misy ny fanantenana ny amin’ny fidiram-bola amin’ny fitondrana fianakaviana hiala sasatra any amin’ny faritany, hoy ny raim-pianakaviana iray izay mivelona amin’ny asa familiana fiara, Raveloson Tiana Felicien. Nanambara ity mpamily sady tompona fiara ity fa nihena hatrany ny mpiala sasatra nentiny, indrindra tamin’ny 2 taona farany. Marobe, hoy izy ny fikambanana na fianakaviana tokony handeha mankany amin’ny farintany, indrindra rehefa fotoam-pialana sasatra tahaka izao fa noho ny tahotra ny lozam-piarakodia dia tsy mandeha izy ireo ary na mandeha aza dia tsy lavitra intsony fa eto amin’ny manodidina an’Antananarivo ihany. Nisesisesy tokoa ny lozam-piarakodia nandritra ity fitondrana ity ary tsy mifidy na moto na fiara tsotra na kamio, indrindra ny fiara mitondra olona maro. Amin’izao fotoana dia efa misy fiara azo ofaina 150 000 Ariary isan’andro ankoatra ny solika ary miakatra hatrany arakaraka ny faharatsian’ny lalana. Etsy an-daniny, nanambara ny mpamily fiara mpitondra ireny vahiny manao fialantsasatra eto ireny fa 400 Euro na 1 614 000 Ar (1Euro=4035Ar) isan-kerinandro ny vola aloan’ny vahiny aminy ankoatra ny solika, izany hoe 200 000 Ariary mahery isan’andro. Amin’izao fotoam-pialantsasatra sy ny fidangan’ny solika izao aza dia mba miakatra ho  450 Euros na 1 800 000 Ariary isan-kerinandro eo, hoy izy. Aleo mitondra mpizahatany vahiny noho ny mpizahatany Malagasy izay saika mihena hatrany isan-taona. Mitaky fiara raitra sy tsara kalitao izy ireo ary mila matihanina tsara fotsiny amin’ny fiaraha-miasa.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT