Toekarena

Fanodinkodinana famatsiam-bola Nomelohin’ny banky iraisam-pirenena


  • Alarobia 08 Jolay 2020

Miisa 22 ireo firenena tena mila ny fanampiana avy amin’ny banky iraisam-pirenena, raha tsiahivina ny tatitra avy amin’ity rafitra ity ny volana febroary teo.

 

 

 19 amin’ireo dia aty Afrika avokoa. Noraketina anaty tahirin-kevitra 45 pejy nampitondraina ny lohateny hoe “L'aide financière accaparée par les élites” fa manodinkodina ny fanampiana avy amin’ny mpamatsy vola ny mpitondra amin’ireo firenena 22 ireo. Raha ny fanadihadiana voarakitra dia manodidina ny 5%n’ireo fanampiana dia arotsak’ireo mpitondra any amin’ny tombontsoany na “Paradis fiscaux” azy manokana. Raha heverina hanampy 1% ny harin-karena faobe na PIB ho an’ny firenena iray ny fanampiana iray tonga dia tsikaritra ho mitombo 3,4% kosa ilay Lanitra hetra na Paradisa fiskaly voalaza teo ho an’ireo firenena mampiasa azy araka ny tokony ho izy. Ho an’ireo firenena izay tsy isan’izany kosa dia tsy ahitana io fandrotsahana io fa any amina banky manokan’ireo mpitondra manodina azy no hirotsahan’izany, raha ny tatitra hatrany. Misimisy ihany izay tahana Lanitra hetra mirotsaka amin’ireo firenena mila fanampiana izay. Isan’ny voatanisa ny an’i Madagasikara izay mitentina 193 tapitrisa dolara, Tanzania 145 tapitrisa ary 103 tapitrisa ho an’i Burundi. Efa nomelohin’ny banky iraisam-pirenena moa izay fanodinana fanampiana aty amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana izay, raha tsiahivina hatrany ny tatitra ary antony mampametra-panontaniana io manoloana ny tsy fangaraharahan’ny fitantanana ny fanampiana momba ny fahamehana ara-pahasalamana ankehitriny.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT