Toekarena

Fanodinana tobim-pamokarana Mbola taraiky i Madagasikara


  • Alarobia 25 Septambra 2019

Ny 73%-n’ireo tobim-pamokarana herinaratra eto Madagasikara dia mihodina amin'ny alalan'ny solika avokoa. Ny 27% ihany no mbola azo avy amin'ny angovo azo havaozina.

I Madagasikara anefa dia firenena afaka manankarena amin’ny angovo azo havaozina ary tanjona ny hampiakarana ny tahan’ny fisitrahan’ny Malagasy rehetra herinaratra ao anatin’ny 5 taona ho avy raha toa ka mbola ny 15 %-n’ny Malagasy no misitraka izany ankehitriny. Paikady iray ahafahana miroso haingana ahatratrana izany ny fahaizana mitrandraka ireo angovo azo havaozina eto Madagasikara toy ny rano, ny rivotra ary ny masoandro. Fotodrafitrasa maro no efa an-dalam-pamolavolana amin’izao fotoana ary anisan’izany ny any Volobe sy Sahofika.  Eo ihany koa ny tohadranon’i Farahantsana izay vinavinaina ho vita amin’ny fiandohan’io taona 2019. Tsiahivina fa taraiky hatrany i Madagasikara eo amin'ny sehatry ny famatsiana herinaratra ary anton’izany ny mbola fanodidina ireo tobim-pamokarana herinaratra amin’ny alalan'ny solika sy menaka mavesatra.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT