Toekarena

Fanodinana tantely any Amoron’i Mania Hapetraka rahampitso ny milina manara-penitra


  • Alakamisy 19 Janoary 2023

Ny faritra Amoron'i Mania no hisantatra ny fananganana Indostria miainga amin’ny vokatra any ifotony na Taninketsa Indostrialy na ny ODOF(One District One Factory ) ho an’ity taona 2023 ity, raha ny fantatra.

Isan’ireo faritra malaza amin’ny fiompiana Tantely ity faritra be tantsaha ity, antony voalaza fa isan’ny nisafidianana azy manokana. Hoentina hanatsarana ny làlam-pihariana tantehina, misy ny milina ara-indostrialy hapetraka hanodinana izany. Rahampitso zoma 20 janoary 2023 no hametrahana an’izany, ka fotoan-dehibe ny ao Ambositra amin’io rahampitso satria Hitarika ny lanonam-panjakana hametrahana izany rahampitso ny zoma 20 janoary 2023 satria ny Minisitra Edgard Razafindravahy,tompon'andraikitra voalohany amin’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny fanjifana eto Madagasikara mihitsy no voalaza fa hidina ifotony any an-toerana. Izy rahateo no voalaza fa tompon-kevitra amin’ny fampanjariana izao tetikasa lehibe ara-toekarena izao. Fitaovana avo lenta ary manaraka ny teknolojia vaovao mifandraika amin’ny fenitra iraisam-pirenena noho izany no voalaza fa hiodina sy hiasa ao Ambositra, raha ny fampahafantarana. Ho voatrandraka ara-indostrialy araka izany ny tantely any Amoron'i Mania, hitombo ny famokaran'ny tantsaha ary hiteraka asa maro na ny fisian'ny orinasa mivantana izany, na ireo asa vaovao manodidina azy,… Miantso an'ireo mpandraharaha vonona hitondra ny traikefany ka hitantana ilay Indostria madinika (unité de transformation) ihany koa moa ny Minisiteran’ny indostria, mba hahafahana miara-miasalahy sy mifanome tanana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT