Toekarena

FANKALAZANA NY FETIN’NY RAY Somary nangina, ny toaka no nandeha


  • Alatsinainy 17 Jona 2024

Nomarihiny omaly Alahady 16 Jona ny fankalazana ny fetin’ny Ray ho an’ity taona 2024 ity.

Tamin’ny ankapobeny dia somary nangina izany raha oharina tamin’ny fetin’ny Reny izay nankalazaina ny 29 May lasa teo. Nihena hatrany amin’ny antsasany mihitsy ny mpividy fanomezana raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra kojakoja ho am-behivavy sy ho an-dehilahy iray. Raha nahalafo akanjo ba mafana ho am-behivavy miisa 20 izy tamin’ny Sabotsy talohan’ny fetin’ny Reny dia tsy nisy afa-tsy 7 teo ho eo no lafony sisa tamin’ny Sabotsy teo talohan’ny Ray omaly raha fanomezana ho an’ny Raim-pianakaviana no nasian-teny. Midoika izany hoy izy fa sahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Tsy vitsy ihany koa ireo ankohonana mahatsiaro efa banga noho ny tsy fisian’ny Ray eo aminy intsony noho ny antony maro, antony mampihena ny mpividy ihany koa.Tsy dia nisy mpividy ihany koa ny mofomamy sy ny laoka miavaka toy ny akoho amam-borona teny an-tsena. Na izany aza anefa dia fantatra kosa fa tena nahazo vola ny bara nanomboka tamin’ny Zoma hariva ka hatramin’ny omaly Alahady. Tamin’io andro io mantsy dia efa nanomboka nanao fety ny ankamaroan’ny Raim-pianakaviana, lanonana mbola nitohy omaly hariva hatrany an-tokantrano. Ny labiera sy ny toaka no tena nandeha raha araka ny fanadihadiana natao hatrany.
Pati
Legende : Nandehabe tahaka izao ny labiera sy ny toaka teny amin’ny bara !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT