Toekarena

Fanjonoana tsy ara-dalàna Very vola hatramin’ny 100 tapitrisa dolara i Madagasikara


  • Zoma 16 Septambra 2022

Tena hanarian’ny firenena maro vola betsaka ny fisian’ny fanjonoana tsy ara-dalana hataon’ireo tsy mataho-tody amin’ny sisin-dranomasina.

Ho antsika eto Madagasikara na dia efa sangany aza isika aty Afrika amin’izany ady izany dia mbola mahatratra 14 ka hatramin’ny 100 tapitrisa dolara isan-taona ny vola very, raha araka ny fanazavan’ny Minisitry ny jono omaly. Mahatratra 500 ka hatramin’ny 800 tapitrisa dolara kosa izany maneran-tany izay tokony handraisana fepetra hatrany. Ho antsika eto Madagasikara manokana moa dia fantatra fa efa hananantsika ireny karazam-pitaovana haingam-pandeha miisa 40 hanenjehana ireo mpanjono tsy ara-dalana ireny. Vokatry ny tohana sy fankasitrahana nataon’ny SADC avokoa no nahafahana nanatanteraka izany, SADC izay marihina fa mbola mpiara-miasa akaiky amintsika hatrany manoloana ity ady hatao amin’ny fanjonoana tsy ara-dalana ity.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT