Toekarena

Fanjifanana Be mpitady ny vokatra AAA TIKO


  • Alakamisy 02 Aogositra 2018

Mitady hatrany ireo vokatra vokarin’ny orinasa AAA TIKO ireo mpanjifa manerana ny Nosy, indrindra taorian’ny nanakatonan’ny fitondram-panjakana ny orinasa Magro.

 
 Izany indrindra no antom-pisian’ny M Shop mba hahafahana mamaly ny hetahetan’ireo mpanjifa. Ho an’ny eny amin’ny Cité des assureurs Itaosy, ohatra, dia vao herinandro mahery izao  no nisokafan’ny M Shop  izay mivarotra ireo karazam-bokatra vokarin’ny AAA TIKO tsy misy fangarony. Anisan’ireny ny yaourt amin’ny vidiny 750 Ar ny iray, ny dibera,  ny classiko bonbon, orange, cola …Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ity trano fivarotana eny Itaosy ity dia tena mandeha tokoa ny tsena. Mila tsy haharaka aza satria ankoatra ny olon-tsotra dia betsaka ihany koa ireo mpivarotra enta-madinika mbola hivarotra antsinjarany no maka sy mikaomandy ao amin’izy ireo. Tsiahivina moa fa efa miisa efatra ankehitriny ireo M Shop eto an-drenivohitra. Eny Anosibe, Ambanidia ary Ambatomainty ireo telo voalohany izay efa mivarotra vokatra hafa ihany. Efa tamin’ny volana oktobra taona 2018 tany ho any moa no nosokofana ireto M Shop telo voalohany ireto.  Ampahany amin’ireo  mpanjifan’ny M Shop ireto sendra ny gazety Tia tanindrazana ireto.

 

Lolona, renim-pianakaviana niteraka roa : Ny ahy ny yaourt no tena vidiako ao amin’ny M Shop ho an’ny zanako. Hafa ihany mantsy ny yaourt Tiko sady miaro amin’ny aretina.

Feno, raim-pianakaviana : Ny ahy ny jus vokarin’ny Tiko sy ny dibera no tsy mbola foiko. Sady mora mantsy izy ireny  no tsara. Efa tena zatra azy io izahay mianakavy kely e !

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT