Toekarena

Fanjifana ny Vita Malagasy Mbola lavitr` ezaka....


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2020

Tsy mitsahatra manafatra ary mitombo isan-taona ny fanafarana ka very toerana ny vokatra eto an-toerana ,mihena ny famokarana ,tsy misy fanondranana ka vokany mitombo ny fahantrana.

 

 

 

 75% amin’ny entana jifaina eto an-dRenivohitra dia entana nafarana avy any ivelany daholo tahaka ireny amin` ireny tsena lehibe ireny (Grandes surfaces) izay betsaka ny olona manjifa izany. Etsy ankilan’izay, vokatra malaza fanondran’i Madagasikara ny nikela, lavanila, lamba izay hatreto no vokatra isan’ny mampiditra vola vahiny betsaka indrindra. Tsy ampy anefa ireo fa tokony hampitomboina sy hitady lalam-barotra hafa mba hahatonga ny sandam-bola ariary ho mari-toerana. Amin'ny anaran'ny fanalalahana ny toekarena dia avela hafarana daholo ireo entana efa be mpamokatra eto an-toerana, ary toa amporisihina mihitsy aza satria sady habaina mora ireny fanafarana ireny andaniny nefa hasarotina be ny famokarana eto an-toerana (haba sy hetra mavesatra, kolikoly, sakatsakana fanakivina, fanakatonana...) ankilany. Maro ihany koa no tsy tia sy tsy manjifa loatra ny “vita Malagasy “ kanefa mampikoroso fahana ny firenena izany. Ny fanjifantsika ny vita eto an-toerana ihany koa no hahatonga ny mpamokatra sy mpandraharaha malagasy hanatsara ny asany. Maro ireo fanehoan-kevitra nataon` ireo mpahay toekarena fa fotoana hahafahana mampiroborobo ny vita Malagasy ny fihibohana saingy maro ireo orinasa Malagasy no kofona noho ny krizy ary indrindra noho ny tsy fanohanan` ny fanjakana tantana azy ireo.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT