Toekarena

Fanjakana sy sehatra tsy miankina Vita sonia ny fifanarahana momba ny indostria


  • Talata 01 Aogositra 2023

Vita sonia omaly 31 jolay 2023 teny Ankorondrano ny fifanekena momba ny fandaharan’asa maharitra ho an’ny indostria na “Pacte de programmation industrielle”,

fifanarahan’ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina. « Tsy misy fampandrosoana raha tsy mafy ny Sehatra tsy miankina. Ary tsy afaka mivelatra ny sehatra tsy miankina raha tsy mampiasa vola. Tsy misy fampiasam-bola raha tsy misy ny famatsiam-bola. Ary tsy misy ny famantsiam-bola raha tsy misy fahatokisana. Tsy misy fitokisana raha tsy misy ny fiaraha-miasa, raha tsy misy ny dinika ifanaovana, raha tsy misy ny fiaraha-midinika maharitra”, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy raha namelabelatra ny antom-pisian’ny Fifanekena momba ny fandaharan’asa maharitra ho an’ny indostria. Iray volana lasa izay no voarafitra tamin’ny alalan’ny Atrikasa ny rijan-teny momba momba io fifanarahana io. Ankoatra ny avy amin’ny Fanjakana dia anisan’ny hita teny an-toerana ny Filohan’ireo Vondron’ny mpandraharaha samihafa toy ny GEM, FIVMPAMA, SIM GEFP GFEM SYMABIO GEHEM APPAM FOMM. Matoa tonga amin’izao dingana izao fanaovan-tsonia izao ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina dia teo ny fiaraha-miombon’antoka, ny fifampitokisana ary ny fiarahana midinika, hoy hatrany ny tatitra sy fanazavana. Hanohizana izany indrindra no nambara fa maha-zava-dehibe ny fametrahana ny Filankevi-pirenena ho amin’ny Fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara na CNIM. Ity rafitra ity no hanara-maso ny fanatanterahana izay voalaza ao amin’ny Fifanekena araka ny Tetiandro nifanarahana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT