Toekarena

Fanjakana sy orinasam-pianankaviana Ny nanenjehana an-dRavalo no miverina ?


  • Alakamisy 24 Febroary 2022

Iny efa navoakan’ny fitsarana momba ny kaonty na « cour des comptes » iny tatitra andiany voalohany mikasika tamin’ny fitantanana ny fanampiana ara-bola tamin’ny covid-19 ny taona 2020.

 Nahatratra 444,10 tapitrisa dolara na 1818 miliara Ar teo ny vola notantanina. Maro ny ahiahy amin’ny tsy fangaraharahana sy ny kolikoly avo lenta. Tsena’asam-panjakana tsy milamina, fandaniam-bola tsy mazava, famoaham-bola mampiahiahy sy tsy manara-dalàna, pitsopitsony sy porofo tsy maharesy lahatra,… izany amin’ny ankampobeny no votoatin’ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty. Efa notaterina teto ny resaka fividianana fitaovana ara-pitsaboana sy kojakoja amin’ny laboratoara nisy tsenan’asa 11 nitentina 7 132 050 418,66Ar izay faktiora tsy ara-dalàna no nampiasaina,… Tafiditra ao anatin’io ihany koa ny raharaha orinasa Bionexx nosafidian’ny Fanjakana tamin’ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny tsy miankina na 3P (Partenariat Public Privé) hamatsy ravina Artemisia annua maina sy Stevia maina. Manodidina ny 2 186 445 492 Ar na 580 600 dolara ny vola voalaza fa azon’io orinasa io. Misy zavatra tsy mazava maro. Misy milaza etsy andaniny, fa orinasa an’ny fianankavian’ny Filoha mivady ny orinasa Bionexx, ary ao amin'ny foiben'ny orinasa Injet no misy ny foibeny. Ahiana noho izany ny bizim-panjakana sy bizim-pianankaviana na fifangaroan’ny fitantanana Fanjakana sy ny fitantanana orinasam-pianankaviana tao anatin’ny fifanarahana 3P. Nokianina mafy anefa hoe ny Magro nanao “3P” momba ny fanafarana vary tamin’ny fotoan’androny. Nolazaina fa nanao ampihimamba. Nosoketaina ho manafangaro ny fitantanana ny Fanjakana tamin’ny orinasany i Marc Ravalomanana. Isan’ny fitaovana nentina nanonganam-panjakana mihitsy aza io. Dia manao ahoana izy ankehitriny? Misy ny zavatra mampiahiahy sy tsy fangaraharana, ary tokony hisy fanadihadiana misokatra eo anatrehan’ny ahiahy maro. Tsy io resaka orinasam-pianankaviana io ihany, fa ny tsenan’asa rehetra tsy mazava tao anatin’ny covid-19.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT