Masoivoho 8 ao amin`ny Vondrona Eoropeanina no nihaona tamin`ny Filoham-pirenena teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha amin’ny dinika ara-politika andiany fahafito teo amin`ny roa tonta.
Ny dinika ara-politika dia natao hametrahana fiaraha-miombon'antoka matanjaka kokoa eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina, indrindra hijerena ireo laharam-pahamehana amin’ny fampandrosoana ny firenena Malagasy. Nanamafy ny fanjakana Malagasy fa hametraka ny politika hanaovana an`i Madagasiakra ho firenena misandratra aty Afrika. Laharam-pahamehana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, indrindra ny fakàna an-keriny. Nanambara ny roa tonta fa hiaraka amin’ireo ezaka ho amin’ny fampiharana fitsarana maoderina sy mahaleotena. Etsy an-kilany, nanambara ny Vondrona Eoropeanina fa manohana tanteraka ireo ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fanarenana ara-toekarenan’i Madagasikara amin’ny alalan’ny politika ankapoben’ny fanjakana. Hanohana ny fifidianana ho avy ihany koa, tahaka ny fifidianana solombavambahoaka izay hotontosaina amin'ny 27 mey ho avy izao. Nambaran`ny masoivoho ihany koa ny fametrahana fotodrafitrasa goavana tahaka ny lalana vatsian`ny Vondrona Eoropeanina vola eto Madagasikara. Noresahana nandritra ity dinika politika ity ny hamatsian’ny Vondrona Eoropeanina 232 tapitra euro ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-6 sy faha-13. Efa hivoaka tanteraka ihany koa ny famatsiam-bola rehetra amin`ny FED andiany faha-11, mitentina 492 tapitrisa euros. Famatsiam-bola avy amin`ny Vondrona Eoropeanina hatrany raha ny vokatry ny fifampiresahana teo amin`ny roa tonta. Nanamafy ny masoivoho fa hanohana an`i Madagasikara amin`ny fametrahana ny demokrasia sy ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy. Mazava izao fa tsy afa-miala amin`ny mpamatsy vola mahazatra i Madagasikara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.