Toekarena

Fanitsiam-pitantanana eto Madagasikara Nankatoavin’ny tahirim-bola iraisam-pirenena


  • Alakamisy 07 Desambra 2017

Nanambara tetsy amin’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola Antaninarenina omaly ny minisitry ny vola sy ny tetibola, Vonintsalama Andriambololona sy ny governoran’ny banky foiben’i Madagasikara, Hervé Rasolofondraibe,

 

 fa nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny tahirim-bola iraisam-pirenena iny omaly iny  ny tomban’ezaka andiany faharoa nataon’i Madagasikara amin’ny fifanarahana Facilité elargie de crédit na FEC. Ny fahatsapana fa ampy ny ezaka nataon’ny governemanta malagasy tamin’ny fanitsiana ara-pitantanana moa, raha ny nambaran’ny minisitra, no anton’ity fankatoavana ity. 31,4 tapitrisa DTS na 44,5 tapitrisa no nomen’ity rafitra iraisam-pirenena ity hanohanana ilay rafi-panitsiana voalaza teo. Fanintelony no nanolorana io vola io, raha ny voalaza ary 124 tapitrisa DTS hatreto no azo.  Votoatin’ny fanitsiana ny fanompanana bebe kokoa ny tetibolam-panjakana hampiasaina amin’ny taona 2018 amin’ny lafiny sosialy, indrindra, ny resaka fanabeazana sy fahasalamam-bahoaka, hoy hatrany ny fanazavana. Mikasika ny fiakaran’ny vidim-piainana kosa dia nijanona ho 8,5% hatreto ny fisondrotam-bidy anatin’ireo entana ary amin’ny alalan’ity FEC ity no iezahana hanitsiana izany, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT