Toekarena

Fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina Manara-maso akaiky ny tetikasa ny BIANCO


  • Zoma 20 Aprily 2018

Notanterahana omaly tetsy amin’ny Ministeran’ny fitaterana sy ny fampahafantarana ny toetry ny andro Anosy ny atrikasa fanentanana sy fanetsehana hisorohana ny mety hisian’ny kolikoly amin’ny tetikasa fanitarana ny seranan-tsambon’ny Toamasina.

 
 Fantatra fa io ministera io no vatsian’ny fanjakana Japoney vola mitentina hatrany amin’ny 411 tapitrisa dolara hanaovana ny fanitarana. Goavana ny tetikasa ary iaraha –mahalala ny olana mitranga any noho ny fahateren’ny seranan-tsambo. Anisan’ny mpiara-miasa mandritra ny fanatanterahana ny tetikasa ny Bianco na ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly satria hisy ny tsenan’asa sy tsena-barom-panjakana  maro ho teraka. Iaraha-mahita anefa ny kolikoly misy eny amin’ireo sehatra ireo ka izany no mahatonga ny Bianco hisoroka sy handray andraikitra sahady ny amin’ny izay tranga mety hiseho. Hapetraka arak’izany ny fomba fiasa madio sy mangarahara mandritra ity atrikasa ity ary iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka dia ny PNUD, ny orinasa Japoney JICA ary ny ministera araka ny tatitra nataon’i Andriamifidy Jean Louis, Tale jeneralin’ny Bianco. Tanjona ny mba hahatanterahan’ny asa an-tsakany sy andavany fa tsy ho voahodikodina indray ny vola na sanatria ho zara fa vita sy petatoko ny asa noho ny fisian’ny kolikoly. Ny PNUD no mamatsy vola ny Bianco amin’ity fanaraha-maso ity ary nanafatra mafy izy ireo ny hampiharana avy hatrany ny sazy amin’izay tratra manao kolikoly (tolerance zero) amin’ity tetikasa ity. Marihina fa efa nisy ny fanombohana ity atrikasa ho fiadiana amin’ny kolikoly ity nataon’ny Bianco tamin’ireo mpiasan’ny seranan-tsambon’ny Toamasina ary anjaran’ny Ministera tompon’andraikitra indray izao no misitraka izany. Tsy tokony ho hadinoina fa vola nampindramin’ny Japoney an’i Madagasikara ny hanaovana ity fanitarana ity ka ny vahoaka ihany no hamerina azy.  Araka izany dia  tokony ho tsara tantana ny vola ary tsy tokony hisomonga mihitsy ny tompon’andraikitra amin’izay tratra manao kolikoly eo.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT