Ny zoma hariva teo no nanao ny lanonana ho fifampiarahabana noho ny taona vaovao 2018 ny mpiasan’ny seranan-tsambon’i Toamasina notarihan’ny tale jeneraliny Avellin Eddy Christian sy ireo mpiara-miasa aminy, izay sambany no natrehan’ny filohan’ny komitim-pitantanan’ny Spat Rtoa Razanandrakoto Herisoa niaraka tamin’ireo telo mianadahy mpikambana eo anivon’ny komitim-pitantanana.
“Roso ny Dia” izay no filamatra entin’ny seranan-tsambo manomboka amin’ity taona 2018 ity noho ilay asa goavana miandry azy ireo amin’ny fanitarana sy fanatsarana ny ambaindain’ity orinasa ity. Ny volana aprily izao mantsy no hapetraka ny vato fehizoro ny asa ao anatin’ilay “Vina 2025” ny seranan-tsambon’i Toamasina; efa vita ny volana martsa 2017 raha teo ny sonia fampindramam-bola teo amin’ny Spat orinasam-panjakana sy ny Jica mpiara-miasa amin’ny fanjakana japoney; ny volana mey 2017 no natao ny tolo-bidy iraisam-pirenena amin’ny fanamboarana rehetra; ary ny volana desambra teo no vita ny sonia ny orinasa hanao ny ampahany voalohany amin’ny fanitarana hitranga eo anivon’ny seranan-tsambo. Nomarihan’Atoa Avellin Eddy Christian fa ny taona 2021 dia efa azo hampiasaina ny asa ampahany voalohany vita, isan’izany ny fiantsonan’ny sambo “Mole C3” mirefy 470m manana alalin’ny ranomasina 16m sy ny “Digue” fiarovana mirefy 345m ary ilay toerana malalaka mirefy 10Ha fametrahana kaontenera sy entana samy hafa. Raha ny 3/4 ny harin-karena anatin’ny firenena no miankina amin’ny seranan-tsambo izao, dia hitombo avo roa na telo heny izany amin’izao fanitarana ny seranan-tsambo izao, noho ny Spat manana toerana stratejika aty amin’ny fari-dranomasina Indiana sy aty Afrika atsinanana amin’ny fitaterana an-dranomasina sy varotra iraisam-pirenena miankina amin’ny ranomasina. Noho izay indrindra hoy Rtoa Herison Razanadrakoto no antony nanatsara sy nanovana ny rafi-pitantanana samy hafa eo anivon’ny seranan-tsambo, sy nanatsarana ny rafitry ny sosialin’ny mpiasa ary fampitombona ny fifampiresahana eo amin’ny samy mpiasa, ny mpiasa sy mpampiasa.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.