Toekarena

Fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina Efa vonona ny vola, hanomboka ny asa


  • Alatsinainy 18 Jona 2018

Nambaran’ny tale jeneralin’ny SPAT Avellin Christian Eddy fa efa hiroso tsy ho ela ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina, raha ela niandrasana izany ny rehetra satria efa vonona ny vola sy ny mpiasa ary ireo orinasa telo hisahana ny asa fanitarana.

Notsipihiny fa hamorona asa maro sady hitondra ainga vao amin’ny toekarem-pirenena ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Mitentinta 639 tapitrisa dolara na 2044 miliara ariary ny vola holaniana amin’ny asa. Tafiditra ao anatin’ny fanitarana ny fanalavana ny toeram-piantsonan’ireo sambo mpitondra kaontenera sy ny fametrahana toerana fanatobiana entana mirefy 10 Ha. Natao ny zoma maraina teo tao amin’ny « foyer social canada » toeram-pilanonan’ny seranan-tsambon’i Toamasina moa, ny fanolorana ireo mari-boninahitra ho an’ireo mpiasa miisa 171 nahavita be teo anivon’ny seranan-tsambo. Miisa 38 ireo mpiasa nahazo ny mariboninahitra « commandeur », anisan’izany ny tale jeneralin’ny Spat Avellin Christian Eddy sy ny mariboninahitra « officier » ary ny « chevalier ». Ireo ambiny tamin’ny mpiasa kosa dia nahazo ny medalin’ny asa. Tonga niatrika ny lanonana ny minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro Beboarimisa Ralava, sy ny filohan’ny komitim-pitantanan’ny Spat Rtoa Herisoa Razanadrakoto .

 


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT