Toekarena

Fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina Ambenana mandrakariva ny Malagasy sao manao kolikoly


  • Alarobia 12 Febroary 2020

Misy hatrany ny atrikasa hiadiana amin’ny kolikoly manoloana ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina.

 

 

 

Mitohy foana izany ary nisy indray omaly tetsy amin’ny Hotely Solimotel Anosy. Manahy ny hisian’ny kolikoly hatrany ny mpiara-miombon’antoka. Tsiahivina fa mitotaly hatrany amin’ny 639 tapitrisa dolara ny vola atontona amin’ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ka ny 411 tapitrisa dolara dia vola nampindramin’ny Japoney ary haloa ao anatin’ny 40 taona fa ny ambiny kosa dia ny fanjakana no handray an-tanana azy. Goavana hatrany ny asa hatao ary efa niteraka tsenambaro-panjakana marobe izany. Eo indrindra no mipetraka ny fanahiana satria iaraha-mahalala fa ambony hatrany ny tahana kolikoly amin’io sehatra io eto Madagasikara. Izany no nanatanterahan’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (BIANCO) miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny masoivoho Japoney ho amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena (JICA) atrikasa omaly. Tanjona efa napetraka hatramin’izay ary antony hanaovana atrikasa lavareny ny hampihenana ny mety ho fisian’ny kolikoly amin’ny fanatanterahana ny asa fanitarana. Amben-tinteny ny hoe fandraisana andraikitra sy fisorohana sahady ny amin’ny izay trangana kolikoly mety hiseho no tena anton’ny atrikasa. Hapetraka  ny fomba fiasa madio sy mangarahara mandritra izany mba tsy hanodinkodinana indray ny vola na sanatria ho zara fa vita sy petatoko ny asa noho ny fisian’ny kolikoly. Hita ho mailo hatrany ireo mpiara-miombon’antoka, indrindra ny mpamatsy vola ary efa marobe ny atrikasa natao niarahan’izy ireo tamin’ny BIANCO mahakasika ity asa fanitarana ny seranan-tsambo ity. Hambenana mandrakariva ny Malagasy sy tsy hananana fahatokisana ary tsy maintsy hanaovana atrikasa lava izao ve vao hahatsapa tena amin’ity sehatra kolikoly ity ? Misy aza atrikasa efa nandeha ihany no averina sy hamafisina. Izany no mahataraiky lava ny fampandrosoana eto amin’ny firenena ary tokony hahatsapa tena ireo tompon’andraikitra rehetra fa mahamenatra ny zava-misy.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT