Toekarena

Fanilo Rakotonindriana « Tsy miankina amin’ny diplaoma ny asa fandraharahana »


  • Alatsinainy 23 Novambra 2020

Tsy miankina amin’ny diplaoma ny asa fandraharahana hoy Rakotonindriana

Fanilo, filohan’ny CEERE na ny « Club entrepreneurs étudiants du rendez-vous des entrepreneurs » . Rehefa tiana ny zavatra iray ary arahina fahavononana dia mety foana hoy izy miampy fanetren-tena. Ny diplaoma indray mantsy ho an’ny sasany no mety ho sakana raha araka ny fanazavany ka hanamboniany ny tenany. Ohatra noraisiny ny hoe : izaho ve manana diplaoma be dia hivarotra yaourt…. Tokony horesena ihany koa ny tahotra toy ny hoe : tsy manana traikefa aho raha toa ka eo ilay fitaizana napetraky ny fiaraha-monina izay tsy maintsy mianatra tsara aloha, mahazo asa tsara, manam-bady sy miteraka ary vita hatreo ny fiainana. Sakana tsy hahafahan’ny tanora mandraharaha ihany koa ireto farany, antony nanampian’izy ireo ny tanora sy nanolorany toro-hevitra hidirana amin’ny asa fandraharahana ny faran’ny herinandro teo. Tanora 1500, 18 taona no mihoatra no nasainy tamin’izany na nianatra na tsy nianatra notronina mpandraharaha miisa 100 izay samy manana ny maha-izy azy avokoa. Nomena fiofanana sy toro-hevitra izy ireo nandritra izany tao anatin’ilay hetsika ‘Espace jeune entrepreneur’ andiany fahasivy

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT