Toekarena

Fangaraharahan’ny tetibolam-panjakana Ratsy dia ratsy ny naoty sy laharan’i Madagasikara


  • Sabotsy 02 Mey 2020

Vita sy nivoaka ny 30 aprily teo ny valin’ny fanadihadiana maneran-tany momba ny fangaraharahan’ny teti-bolam-panjakana ho an’ny taona 2019 na ny “ The open budget survey”

 

 

 

 tamina firenena 117. 61/100 ny naoty ambany indrindra tokony hotratrarina ahafahana milaza fa efa manome antontam-pahalalana sy atotam-baovao ampy afaka hitondrana fifanakalozana sy ady hevitra mikasika ny teti-bola ny firenena iray. Zara raha nahazo 40/100 anefa i Madagasikara ary laharana 68/117 izay midika fa mbola ny farafahakelin'ny antontam-pahalalana momba ny tetit-bola ihany no zarain'ny governemanta Malagasy amin’ny vahoaka. Ao anatin’ny sokajy “insuffisant” isika. Na izany aza, niakatra kely io satria 34/100 ny naotintsika ny 2017. Tsy tena misy fakana ny hevitry ny olom-pirenena amin’ny tetibola ambara fa hampandrosoana an’i Madagasikara, fa dia izay tian’ny mpitondra atao, hany ka 6/100 ny naotin’i Madagasikara amin’ny fandraisan’anjaran’ny vahoaka. Mila mijery sy mandinika ny tena ataon’ny mpanatanteraka ny mpanao lalàna, ary indrindra ny rafi-panjakana ambony mpanara-maso ny volam-panjakana sy ny tetibolam-panjakana (ISC). 17/100 ny naoty amin’ny asan’ny ISC izay ao anaty sokajy “faible”, ary 44/100 ny naoty ho an’ny fanaraha-maso ataon’ny Parlemantera izay raha haravona ireo dia 35/100 ny naoty ho an’ny fanaraha-maso na “contrôle budgetaire”. Mitana ny laharana voalohany mitovy samy nahazo isa 87/100 moa i Nouvelle Zélande sy Afrika atsimo, ary any amin’ny rambony samy 0/100 i Yemen, Venezuela ary Kaomoro. Raha hitsambikina aty amin’ny 2020 isika, dia tato anatin’ny hamehana no nanalana tompon’andraikitra ambony tao amin’ny ISC, izay endri-javatra mampiahiahy satria isan’ny adivehitra be amin’izao ny tsy fangaraharan’ny fitantanana ny vola hiatrehana ny covid-19.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT