Toekarena

Fanendrena tomponandraikitra ambony Nametraka fepetra ny ao amin’ny minisiteran’ny fitantanam-bola


  • Alatsinainy 21 Janoary 2019

Tafapetraka ny fitondram-panjakana vaovao. Mihetsika kosa, manomboka eto ny hazakazaka fakana toerana fanapahana ao ambony ao satria efa voapetraka koa ny fialan’ny governemanta notarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian.

 

 

 Namoaka feo sahady ny mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny fitantanam-bola, amin’izao fotoana izao, ho arofanina hanatsarana ny asa ao amin’io departemanta io. Nametraka fepetra miendrika fitakiana izy ireo ho masontsivana amin’izay ho tompon’andraikitra isan’ambaratongany hotendrena ao anivon’io minisitera io, hisorohana ny olana niainana nandavan-taona tao. Tsy maintsy efa mpiasa tao amin’ny minisitera aloha no ekena ho mpitantana ambony ao, araka ny fanazavan’ireo mpiasa. Takiny koa ny hanomezan-danja ny tanora satria betsaka amin’ireo tanora manampahaizana tao no notaingenan’ireo goaika antitra fotsiny hatramin’izay ka tsy nampandeha ny raharaha. Tsy hanaiky ny hamerenana ireo tompon’andraikitra efa zatra mpanodinkodina “postes budgétaires” tao amin’ny minisitera koa ny mpiasa, hampanjakana ny mangarahara amin’ny fanomezana andraikitra ny olom-baovao madio tanana.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT