Toekarena

Fandrobana harem-pirenena Vatosoa 55 taonina tratra teto Antananarivo


  • Talata 05 Aprily 2022

Tsy mety voafehy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna sy ny fikasana hanondranana harena an-kibon’ny tany .Vatosoa milanja 55 Taonina eo ho eo no saron’ny Polisin’ny Harena an-kibon’ny tany (Police des Mines) teto an-drenivohitra,

 teny am-pelatanan’ny mpandraharaha vato tsy ara-dalàna ny herinandro lasa teo, araka ny tatitra ofisialy navoakan’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika omaly. Nahitam-bokany indray ny hetsika tafiditra ao anaty ady amin’ny fitrandrahana sy fivarotana vato tsy ara-dalàna. Mitohy hatrany ny fanadiovana, fanatsarana ary fanavaozana apetraka, hoy io Minisitera io. Tsy tomombana ny antontan-taratasy manaporofo ny maha-ara-dalàna ny fitazonana ireo vato maro be ireo teo an-toerana rehefa nanatanteraka ny fisavana ny tompon’andraikitra, araka ny fanazavana. Mahatratra 47 karazana ary amin’ny endriny samihafa ireo vato tratra, ary eo am-panatanterahana ny tombam-bidin’ireo vato ireo ny tompon’andraikitra manam-pahaizana amin’izany ankehitriny. Olona ahiahiana miisa roa no voalaza fa voasambotra tamin’ity raharaha ity ary efa mandeha ny famotorana. Manoloana ny fandikan-dalàna izay mitranga dia nogiazana ireo vato ireo, eo am-piandrasana izay ho tohin’ny raharaha araka izay takian’ny lalàna. Ny Fitondram-panjakana ankehitriny dia tsy manaiky mihitsy ny gaboraraka amin’ny fitrandrahana tsy nahazoana alalana, ny fivarotana sy ny fikirakirana tsy manara-dalàna ireo harem-pirenena. Entaniny araka izany ireo izay liana amin’ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany, mba hanatanteraka izany ao anatin’ny sehatra ara-dalàna hatrany ka hanatona ireo biraom-paritry ny Ministera manerana ny Nosy, hoy ny Minisitra Rakotomalala Herindrainy Olivier. Nomarihin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany fa ny fitrandrahana, fivarotana, fanangonana, fitaterana, fanondranana, na izay endrika rehetra fikirakirana harena ankibon’ny tany dia misy ny lalàna mifehy izany sy mamaritra ny antontan-taratasy ahafahana manatanteraka ny asa manodidina izany. Andrasana ny ho tohin’ity raharaha ity na hangina na ho lasa lavitra. Hatramin’izay rahateo toa vitavita ho azy ny raharaha fanondranana harena sarobidy: volamena 73,5kg, 49kg, 22kg, Safira 925g,… ary efa nisy vato 8 kaontenera ihany koa aza nokasaina haondrana niala teto. “Mbola mandeha ny fanadihadiana” no valin-teny re matetika eto, indrindra fa misy olona ambony voatonontonona izay. Ampahany ihany itony tratra itony, fa tena manjaka ny fandrobana harem-pirenena eto.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT