Ny 02 martsa 2016, tamin’ny andron’ny FFM no efa nametraka dosie matevina mikasika ny fangatahana fampiharana ny tondrozotra na ny « feuille de route » natao tamin’ny fifanarahan’i Maputo sy Addis-Abeba ny Orinasa Tiko momba ny fanonerana ny fananany potika. Nitohy omaly teny amin’ny CFM Ampefiloha nanamafisana ny efa natao sy nanampiana izany.
Raha milaza ny Fanjakana ankehitriny fa ananany trisa 150 miliara ariary ny Tiko, dia namaly bontana izy ireo omaly fa mahatratra 1461 miliara ariary mahery (1 461 367 732 146,69Ar) ny tomban’ny famotehana sy fandrobana ary fandorana ny orinasa tamin’ny taona 2009, araka ny kaonty vita tamin’ny 2015, hoy ny fanazavan’ny Mpisolovava Hanitra Razafimanantsoa. Mbola mihoatra lavitra noho io raha mitohy aty amin’ny 2020 satria amina miliara maro ny famotehana sy fandrodanana ny orinasan’ny Vondrona Tiko ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina amin’izao, hoy ny tatitra. Nohazavaina fa 11 ny orinasa tao amin’ny Vondrona Tiko, fa tsy MBS sy Magro ihany. Nisy ny fandinihina sy tombana nataona « cabinet d’expertise » tena ara-dalàna sy matihanina fa tsy anjoanjo sy kaonty baoritra, hoy ny fanazavana. Efa nisy didim-pitsarana nahazoan’ny Tiko rariny hanao kaonty amin’ny fanjakana hoe: ohatrinona no lazain’ny fanjakana fa ananany amin’ny Tiko, ary ohatrinona ny vola ananan’ny orinasa amin’ny fanjakana dia atao ny kaonty, ka mamerina izay ananana. Tsy navelan’ny Minisitry ny fitsarana tamin’izany notanterahana anefa ny didy fa hoe manakorontana saim-bahoaka. Nandeha tany amin’ny “Cour d’appel” ary mbola nandresy ny Tiko, kanefa mbola nosakanana ny fanatanterahana ny didy. Raha notanterahana ny didy dia efa fantatra hoe iza no tokony hamerina. Lazaina fa ananana trosa 150 miliara ariary ny Tiko. Manana avo folo avo heny amin’ny fanjakana ny Orinasa, hoy hatrany I Hanitra Razafimanantsoa.
HIAFARA ANY AMIN’NY FITSARANA IRAISAM-PIRENENA
Manana andraikitra ny CFM, ary tokony hatao raha mbola azo atao ny miresaka ambony latabatra fa tsy manao didiko fehy lehibe, didin’ny be sandry ka sady mandrava no mandrodana. Manjary miverina any amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny raharaha, hidiran’ny Fitsarana iraisam-pirenena na CPI, SADC,… ka tsy maintsy any no hiafarany rehefa tsy mifampihaino eto isika, hoy ny mpisolovava sady solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.