Toekarena

Fandraharahan’ny tanora Zava-dehibe ny famokarana sy fanondranana


  • Zoma 18 Oktobra 2019

Ny ambasady Frantsay no nanapa-kevitra amin’ny fikarakarana ny alakamisy fahatelo isam-bolana mahakasika ny fandraharahana.

 

Tanjona ny hamoaboasana eo anatrehan’ireo tanora tompona tetikasa na manana tetikasa amin’ny alalan’ny latabatra boribory ny fampiroboroboana ny sehatra fandraharahana. Ireo tanora afaka mifaninana (startup) izay efa sahy sahady manangana orinasa dia nizara ny fahaiza-manaony sy ny traikefany tamin’ity hetsika ity. Misy ihany koa ireo vao hanangana ny orinasany mihitsy ka hampiana sy hampahafantarina eo anivon’ny minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa Tanana ary ireo tompon’andraikitry ny tetikasa “Fihariana” izany. Nisy ny famelabelarana natao omaly tetsy amin’ny IFM Analakely izay nataon’ireo matihanina sy efa lasa lavitra amin’ny sehatra fandraharahana. Ankoatr’izay dia mbola hitohy ny hetsika ka hipaka hatreny amin’ny anjerimanontolo ary hezahana atao matetika miaraka amin’ireo manampahaizana eto an-toerana sy any ivelany, hoy ny tompon’andraikitra. Tsy maintsy miafara amin’ny famokarana sy ny fanondranana ny fandraharahana ataon’ny tanora Malagasy mba hisy akony mavesatra amin’ny toekarena, hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny IFM, Patrick Perez. Misy 150 eo moa ireo tanora manana tetikasa izay liana tanteraka tamin’ny fifampizarana sy ny famelabelarana teny amin’ny IFM Analakely.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT