Toekarena

Fandraharahan’ny tanora Mila manana traikefa mafy


  • Sabotsy 24 Novambra 2018

Notanterahina tetsy amin’ny Hotely Le Pavé Antaninarenina omaly zoma 23 novambra ny hetsika “ carréfour des Entreprises” andiany fahavalo.

 

 

 

Fampirantiana orinasa mandrisika ny tanora hiditra amin’ny sehatra fandraharahana ity hetsika ity. Tompon’antoka ny fikambanana Jeune Chambre International (JCI) izay nampirisika ireo tanora mpandraharaha hanana traikefa matotra amin’ny fampiroboroboana ny orinasany. Tsiahivina fa fikambanana eto Antananarivo ny JCI ary manosika tanteraka ny tanora hisehatra amin’ny fandraharahana. Hetsika mandritra ny 2 andro ary hisy ny fampirantiana sy fampiofanana ary ny fifampizarana traikefa hanohanana ny tanora manana tetikasa rehetra. Ilaina hatrany hetsika sahala amin’itony satria iaraha-mahalala ny fitotonganan’ny orinasa Malagasy ka ny tanora no antenaina hanainga izany. Fanararaotana hitadiavana famatsiam-bola ihany koa ny hetsika sahala amin’itony satria mampiranty sy mampahafantatra ny fahaiza-manaony ireo tanora ireo. Nanamarika ity hetsika ity ihany koa ny fampisehoana tetikasa ananan’ireo tanora manan-kilema.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT