Toekarena

Fandraharahana sy toekarena Tena ilaina ny fampiofanana arak’asa tsara kalitao


  • Talata 03 Martsa 2020

Fototra ijoroan’ny fampandrosoana ny fampiofanana arak’asa hoy ny Tale Jeneralin’ny Fampiofanana arak’Asa, Jean Luc Ramamonjiarisoa nandritra ny famelabelarana mahakasika ny Tahiry Famatsiam-bola ho Fampiofanana ny mpiasa (FMFP).

 

 

Nisy ny atrikasa nanadihadiana mahakasika izany mba hamporisihina ireto tanora miroso amin’ny fandraharahana tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina. Amin’izao fotoana dia nanambara ny tompon’andraikitra fa maro ny tanora mivoaka amin’ny anjerimanontolo no tsy miasa satria tsy mifanaraka amin’ny zavatra iandrasan’ny orinasa mihitsy ny fiofanana narahina. Etsy an-daniny, 3,2% monja amin’ireo tanora miasa eto Madagasikara no mba mahazo fanofanana arak’asa. Antony hametrahana ny “festival de competence” hijerevana ny filàna rehetra indrindra ny an’ireo mpanakanto Ny sehatra fizahantany, ny fananganan-trano (BTP), ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, ny teknolojia vaovao (TIC) ary ny lamba (textile) no voakasika  tamin’izao atrikasa fampiroboroboana ny fanofanana izao. Betsaka ireo sehatra tena mbola ilàna fampiofanana arak’asa ary ny ankamaroan’ny orinasa mba manatanteraka fampiofanana dia ao aminy ihany no tanterahina fa tsy mba maka mpanofana arak’asa matihanina.  Tsiahivina fa 25 tapitrisa Ariary no nanatanterahana ny famoahana ny entan’I Mbola Rajaonah izay mbola tena mila ezaka be ny fampivoarana izany sy ny resaka kalitaon’ny fiofanana. Tanjon’ny FMPF ny hampiakatra ny kalitao, indrindra ny amin’ireo sehatra lehibe manainga toekarena ireo. Nivoitra tamin’ity atrikasa ity ihany koa ny famolavolana ireo karazam-piofanana tena ilain’ny olona miasa eny anivon’ny orinasa tsirairay na ireo mpandraharaha. Tokony hohamafisina bebe kokoa ny fiaraha-miasa amin’ny minisitera miandraikitra ny fanofanana arak’asa sy ny sehatra tsy miankina izay tena mila an’io fampiofanana io, hoy ny ankamaroan’ny mpandray anjara satria miainga amin’izany ny fampivoarana sy fampandrosoana ny orinasa

 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT