Toekarena

Fandraharahana sy toekarena “Ny vahiny no omena tombondahiny eto”


  • Talata 16 Janoary 2018

Izao akaiky fifidianana izao ve vao mody manovokovoka. Ianao rehefa manaiky hitondra fanjakana, dia manaiky hamaha ny olana eo amin’ny vahoaka, manaiky hampandroso ny firenena izay tantaninao, hoy kosa ny filohan’ny Antoko Miray Razakanirina Mahafaritsy Samuel.

 

 Ianao dia tsy manana fialan-tsiny intsony satria alohan’ny hahatongavana eo dia fantatra hoe misy olana. Ianao izany manaiky hanompo sy hiasa ho an’ny firenena, fa ny fandraisana andraikitra no zavatra hitako tsy ampy eto amin’ny firenena na koa tsy dia mipetraka tsara ilay fahefam-panjakana, na koa tara eo amin’ny fanapahan-kevitra, tara eo amin’ny fandraisana andraikitra, tara eo amin’ny fanazavana ny zava-misy eto amin’ny firenena, hoy izy. Mikasika ny toekarena sy ny fandraharana moa dia nambaran’i Mahafaritsy Samuel fa omena tombondahiny manokana ny mpandraharaha vahiny. Ny mpandraharaha avy any ivelany anefa mitondra ny volany hitady tombony. Hitady toerana ahitana olona azo karamaina mora no tena ataony. Raha manarama vazaha iray izao izy, dia mety ho Malagasy 100 na 80 no karaman’ny iray, saingy tsy mba omena ny Malagasy izany, hoy izy. Ny zavatra havelany eto rehefa miala izy, dia ny fotodrafitrasa izay tsy ho azo kitihina sy ny famoronana asa amin’ny fanaramana mora. Ny mpandraharaha Malagasy kosa eto ny volany sy ny harenany, izany hoe mampitombo ny famokarana, izay midika fa mampitombo ny harin-karena. Tokony ho ny mpandraharaha Malagasy no tohanan’ny fitondram-panjakana bebe kokoa, ary handrafetana politika manokana mba hahafahany mampandroso ny firenena, hoy Razakanirina Mahafaritsy Samuel. Toa ny mamingana sy manakatona ny orinasa Malagasy anefa no tena maha mailaka ny fitondram-panjakana ankehitriny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT