Fandraharahana sy fampiasam-bola nitsefotra…

Hiverina eto indray ny iraky MEDEF 6 taona aty aoriana


  • Alarobia 19 Martsa 2025

Mieritreritra ny ho avy eto Madagasikara indray ny avy amin’ny MEDEF (Mouvement des Entreprises de France International)

ny aprily izao, hoy ny fampahalalam-baovao an’habaka iray omaly. Nambaran’ny Comité Afrique an’ity tambajotra ara-toekarena tsy miankina lehibe indrindra any Frantsa ity fa hisy iraka ara-pandraharahana manokana hataon’izy ireo eto, kasaina hotanterahina ny 23 sy 24 aprily, ka hanasany ireo izay liana. Hanokatra varavarana ho amin’ny fifandraisana amin’ireo tompon’andraikitra amin’ny tetikasa ara-panjakana sy tsy miankina izany, ary hanome fahafahana handray anjara amin’ny fihaonambe ara-toekarena avo lenta hifanakalozana mivantana amin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena. Mifanandrify indrindra amin’ny Fihaonamben’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI), izay ahitana ny fandraisan’anjaran’ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron io. Hisy ihany koa ny Forum ara-barotra rezionaly karakarain’ny COI, izay hanangona mpitondra fanjakana, mpandraharaha ary andrim-pirenena ara-toekarena, ka hamelabelatra lalam-barotra sy fahafahana fampiasam-bola eo amin’ny faritra. Nanamafy ny Comité Afrique du Medef International fa mbola manana sakana ara-stratejika i Madagasikara, toy ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa sy ny olana amin’ny fampiasam-bola amin’ny fivelaran’ny olombelona. Na izany aza, ho tombontsoa amin’ity fitsidihana ity ny famolavolana drafi-piaraha-miasa miaraka amin’ny sehatra tsy miankina eto an-toerana. Ireo sehatra angovo, rano, fitantanana fako no tena ho kendrena, ankoatra ny fahafahana mametraka fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny teknolojia nomerika, fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ary fizahantany. Efa nanamarika ihany koa ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) fa na dia misy aza ny fahabangana amin’ny sehatry ny angovo sy ny fotodrafitrasa eto Madagasikara, dia làlana misokatra ho an’ny mpampiasa vola izany. Ireo tsy fahampiana ireo dia manome vahana ho an’ny mpandraharaha vahiny hametraka vahaolana sady hahazo tombony amin’ny fampandehanana azy. Tsara ny mampahatsiahy, fa efa tonga teto ny MEDEF ny oktobra 2019, nihaona tamin’ny ambaraton-drafitra, tamin’ny Vondron’ny Mpandraharaha Malagasy na ny GEM,… saingy tsy tena nisy tatitra sy vokatra mazava, ary io mbola ho avy io indray. Endrika maneho sy manamafy fa marefo ny tontolo ara-pandraharaha sy fampiasam-bola na « climat des affaires » eto Madagasikara ka mila fanarenana mahomby.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT