Toekarena

Fandraharahana sy fampiasam-bola Mihamafy ny loza mandindona ho an’ny 2021


  • Alatsinainy 04 Janoary 2021

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny 31 desambra, fa nisy ny asa natao ny 2020

 

 fa nosembatsembanin’ny covi-19, ary asa goavana no hotanterahina amin’ity taona ity. Nambara fa eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana dia orinasa 42 no niforona, Tena vitsy dia vitsy izany, ary saika orinasa efa nisy no niova anarana na nohitarina, ezaky ny tsy miankina ny 90%, fa fitokanana no nataon, fa fitokanana no nataon’ny mpitondra tamin’ny sasany. Ambany dia ambany ihany koa izany 42 izany satria ny taona sasany tany aloha mety manodidina ny avo folo heny amin’io. Ny tatitry ny banky iraisam-pirenena ny 16 desambra nilaza fa ny 64% tamin’ny Malagasy no very asa ka aiza ho aiza ary ny tena fijerena an’izany? Raha ny resaka tontolon’ny fandraharahana sy fampiasam-bola sy fandraharahana na ny « doing business », dia laharana faha-161 amin’ny firenena 190 i Madagasikara amin’ny fahavitrihan’ny mpampiasa vola ary faha-36 aty Afrika. Tena azo lazaina ho mitana ny rambony isika ao anatin’io. Mifandraika indrindra rahateo amin’ny resaka ady amin’ny kolikoly, ny fitoniana ara-politika ny tontolon’ny fandraharahana sy ny faharisian’ny mpampiasa vola sy ny mpamatsy vola, saingy mampanahy ny mbola hihemoran’ny laharan’I Madagasikara. Tsy nisy firenena teto ambonin’ny tany nanakatona orinasa tao anatin’ny krizy raha tsy teto Madagasikara, izay noho ny antony ara-politika. Fotodrafitrasa goavana, toy ny tanàna vaovao no tena mahamaika, fa adino tanteraka ny fandaminana sy ny fanarenana ny tontolon’ny fandraharahana (environnements des affaires), famoron’asa, famokarana,… izay tokony hatsaraina mialohan’ny hidirana amina sehatra izay azo lazaina ho mbola tsy maika. Ny orinasa sy ny fandraharahana no mampidi-bola sy hetra ho an’ny Fanjakana, saingy iniana tsy jerena na efa kofona tanteraka aza.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT