Nanatanteraka fivoriana niaraka tamin’ireo solontenan’ny mpivarotra henan’omby eto Antananarivo ny filoha mpitantana ny kaoperativa Madaomby sy ireo mpiara-miasa aminy, ny sabotsy lasa teo, teny amin`ny foibeny tetsy Soanierana.
Tanjon’ny fivoriana ny hampandrosoana ny fivarotana omby sy ny fandraharahana izany eto Madagasikara, indrindra fa ny eto an-drenivohitra. Vontoatin’ny fiaraha-midinika ny hanatsarana ny fomba fiasa eo amin’ny fivarotana ny henan’omby. Ao anatin’io sehatra io no hijerena ny lanjan’ny omby sy ny vidiny sy ny fomba fandoavana ny volan’ny mpiompy. Nanambara ny filohan’ny kaoperativa Madaomby, Atoa Tahiry Sambehafa fa mila fanatsarana ny famarotana henan’omby eto Madagasikara. Ho an`Antananarivo dia 300 hatramin’ny 400 omby isa isan’andro ny filan’ny mponina. Mitaraina kosa ireo mpandraharaha misehatra ao anatin`ny tontolon`ny fandraharahana omby manoloana ny tsy fandriampahalemana misy eto amintsika. Raha fito taona no faharetan’ny fiompiana omby teo aloha dia roa na telo taona sisa izany ankehitriny ka anisan`ny antony mahakely ny omby miakatra eto Antananarivo. Na dia izany aza, misy fotoanany ihany koa ny mahakrizy ny omby ka mampiakatra ny vidin’ny omby. Manomboka ny volana aogositra ka hatramin’ny volana martsa no vanim-potoana hahitana fiakarana amin`ny henan`omby. Mamboly ny tantsaha amin’io fotoana io dia miasa eny an-tanimbary ny omby. Rehefa volana martsa indray dia mihena ny vidin-kena noho ny fitomboan’ny omby vonoina. Ankoatra izay dia tsy manana olana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny minisitera miahy ny fiompiana sy ny sinoa ny kaoperativa Madaomby noho izy ireo manampy ny tantsaha eo amin’ireo fampitaovana momba ny omby.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.