Toekarena

Fandraharahana Mbola malalaka ny lalana amin’ny “cacao”


  • Zoma 04 Oktobra 2019

Ho an’ny eto Madagasikara dia haharitra 5 andro ny fankalazana ny andro iraisam-pirenana ho an’ny cacao sy ny sokola izay atao eny amin’ny musee de la photo Andohalo.

 

Mbola azo atao tsara ny miditra amin’ny fandraharahana eo amin’ny fanodinana kakao ho lasa sokola eto amin’ny firenena. Ho an’ny orinasa malagasy misehatra amin’ny fanodidina ny sokola fotsiny, ohatra, dia mahatratra 400 taonina isan-taona ny vokatra cacao ampiasaina ary mamelona tantsaha an-jatony izany. Ny 80%-n’ireo vokatra ireo dia jifain'ny Malagasy eto an-toerana avokoa. Ny ampahafolon’ny vokatra cacao eto Madagasikara ihany no mihodina eto raha ny tatitra tamin’ny taona 2018 teo ka ny 90% dia haondrana mankany ivelany avokoa. Tsara kalitao ny kakao eto Madagasikara ary malaza amin’ny famokarana izany ny ao amin’ny distrikan’Ambanja izay mamokatra 11000 taonina isan-taona. Ny Eoropeanina kosa no mitana ny laharana voalohany amin’ny fanafarana ny kakao eto Madagasikara araka ny tatitry ny tompôn’andraikitra.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT