Toekarena

Fandraharahana Malagasy Mitohy hatrany ny fanapotehana


  • Zoma 13 Aprily 2018

Mitaraina hatrany ny mpandraharaha Malagasy ny amin’ny famonoana azy ireo.

 

 Taorian’ny fahataran’ny entana tokony ho namidy tamin’ny Paska teo dia miakatra indray ny vola amoahana izany eny amin’ny fadin-tseranana. Nisy mantsy ny lalàna vaovao izay mihatra manomboka ity volana aprily ity eny amin’ny fadin-tseranana ny amin’ny tokony hisian’ny biraony eny amin’ny toby fanafarana entana (cargo). 300 dolara na 969 000 Ariary eo ho eo no aloa amin’ny m3 (mètre cube) taloha. Aloa amin’ireo orinasa mpandefa entana izany ary ireo orinasa ireo ihany no mandoa ny fadin-tseranana. Mody nahena eo amin’ny 240 dolara na 775 200 ariary saingy nampiakarina ny vola aloa enyamin’ny fadin-tseranana. Mahatratra 40%-n’ny faktiora izany, araka ny tatitra nataon’ireo mpanafatra entana. Ankoatra ny vola aloa amin’ny cargo dia mbola misy indray izanyvolabe aloa amin’ny fadin-tseranana izany. Kivy tanteraka ireo mpandraharaha mpanafatra entana ny amin’ny vola be mivoaka aminy. Eo ihany koa anefa ny vola aloa amin’ny karatra NIF sy Stat amin’ny maha matihanina sy maha ara-dalàna azy ireo. Ireo no avokavoka mampiaina ny toekarena Malagasy nefa dia potehana hatrany ary tahaka ny mahazatra moa dia tsy misy ny fandraisan’andraikitra matotra.

Tsiry


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT