Toekarena

Fandraharahana lavanila ao SAVA “Mampijaly mpamboly ny Mafia.”


  • Alakamisy 21 Novambra 2019

Tohin’ny asa efa napetraka sy fanarahana ny fiainam-pirenena eto Madagasikara no antony handatsahana kandida maro miisa 28 ao SAVA, hoy ny filohan’ny antoko Natiora, Mihari-Ni-Rencho.

 

Efa nandray anjara kely izahay tamin’ny fifidianana depiote ary hasehonay fa tsy hamelanay i SAVA. Ny resaka lavanila no tena misy ny mafia mampijaly mpamboly. Mifantoka amin’ny maha olona rahateo ny Natiora ka ny hipetrahan’ny filaminana ao anaty fiarahamonina no tanjona. Haren’i Madagasikara ny lavanila ary i SAVA no fotony saingy ny mampalahelo dia rehefa fotoanan’ny lavanila ka tratra ny mpangalatra dia tsy misy na ariary aza azon’ny tompony. 4 volana anefa izy ireo matory any anaty ala miandry ireo voliny ireo. Tsy hita ny fivoaran’ny mpamboly fa ny mpandraharaha tapa-taona dia efa miliardera, hoy kosa ny filoha rejionalin’ny antoko any an-toerana, Stephan Jinoro. Tanjona ny hanafoana ny halatra lavanila, hoy hatrany izy ireo. Araka ny nambaran’ny minisitry ny varotra moa dia manana tanjona hanondrana eo amin’ny 17.500 taonina eo isika amin’ity taona ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT