Toekarena

Fandraharahana eto Madagasikara Olana ny tsy fisian’ny fanabeazana ara-bola


  • Alakamisy 15 Novambra 2018

Nisy ny atrikasa fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Stratejia Nasionaly ho fampidirana ny rehetra ho ao amin’ny rafitra mpampindram-bola (SNIM) ho an’ny taona 2018 ka hatramin’ny 2022 notanterahina tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina omaly alarobia 14 novambra.

 

 

 29% monja ny Malagasy tafiditra amin’io rafitra io tamin’ny taona 2016 ka tanjona hotratrarina ny hahatonga izany ho 45% ny taona 2022. Olana ny tsy fahampian’ny fanentanana ny olona hiditra anatin’ny rafitra mpampindram-bola, indrindra eny amin’ny tontolo ambanivohitra ka tsy ahafahany misitraka ireo tolotra maro isan-karazany manodidina izany. Tsy ampy ihany koa ny fanabeazana mahakasika ny ara-bola (éducation finançière) ka mahatonga ny Malagasy tsy hahafantatra ny tombon’ny tolotra rehetra misy amin’ny fandraharahana ara-bola. Nampahafantarina tamin’ity atrikasa ity fa tsy mampirisika fotsiny ny olona hampiasa vola ny fanabeazana ara-bola fa mampianatra mihitsy ny amin’ny fitantanana rehefa hanao fandraharahana ara-bola. Eo ihany koa ny tetikady fampahalalana  ny zony manodidiana ny fandraharahana izay tokony hohatsaraina hatrany eto Madagasikara, indrindra manoloana ny fivoaran’ny teknolojia. Ilaina mihitsy ny sehatra fampahafantarana tahaka itony satria misy ny fahasahiranana eo amin’ny fampiasam-bola raha tsy manaraka ny fandrindrana momba ny fikirakirana ara-bola izay ampitaina amin’ny sehatra tahaka izao. Tsy afaka miala amin’ny findramam-bola ny Malagasy satria io no fomba entina hampiroboroboana ny asa atao hitadiavana tombony sy entina hanaovana fandraharahana hahasalama ny toekarena.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT