Toekarena

Fandraharahana eto Madagasikara Ny vahiny antsoina, ny Malagasy potehina ?


  • Alatsinainy 31 Oktobra 2022

Nanamarika iny faran’ny herinandro iny ny fisian’ilay hetsika nataon’ny fitondrana Rajoelina izay atrikasam-pirenena mikasika ny fampiasam-bola ho an’ny Planina hoenti-mampandroso an’i Madagasikara.

Niseho tamin’ny endrika atrik’asa niafara tamin’ny karazana fampisehoana fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa tamin’ny orinasa vahiny, raha tsy hilaza afatsy ny sehatry ny fizahantany, izay nisy fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa tamin’ny orinasa vahiny miisa 6 teo, izay vonona amin’ny fananganana hotely kintana 5 sy fandraharahana ara-pizahantany. Ny sehatry ny angovo izay nisy “memorandum” miisa 8 iarahana amin’ny orinasa miisa 4 nosoniavina. Tafiditra ao anatin’izany ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa Piromax hamokatra charbon écologique, ny CNEP amin’ny tetikasa 3: biogaz Andralanitra, central thermique Andralanitra, central bio-mas amina toerana 9,… Tahaka izany ihany koa ny tontolon’ny fitaterana anabakabaka, izay voalaza fa hisy ny fiaraha-miasa hahazoana fiaramanisina. Ny fifanaovan-tsonia no vita, fa ny fanatanterahana mbola andrasana satria tsy vao sambany no nisiana fampisehoana tahaka izao hoe: ireo ny mpamatsy vola sy ny mpampiasa vola fa ny fahatongavako eo no ela. Miezaka miantso vahiny isika amin’ny fandraharahana sy fampiasana vola eto Madagasikara. Fa mba manao ahoana ny fijerena sy ny fanalalahana ny fandraharahana eto Madagasikara? Resahana izao ny resaka fitaterana anabakabaka ka moa afaka ny hiverina sy hahazo sehatra ve ny orinasa iray ana mpandraharaha akaiky ny fitondrana teo aloha? Resahina ny tetikasa ODOF (One District One Factory) fa tena havela hiasa malalaka ve ny orinasan’ny filoha iray teo aloha izay fanta-daza tamin’ny tontolon’ny indostria fanodinana ara-tsakafo izay nodorana tamin’ny 2009? Raha nisy ny fivoizana tany aloha fa manao ampihimamba Rakoto na Rabe, moa efa malalaka ve ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara sa maro ny sehatra giazan’olom-bitsy ary ny olom-boafidy Roland Ratsiraka izay efa niara-dia tamin’ny filoha ankehitriny aza vaky vava amin’izany amin’izao, toy ny amin’ny sehatry ny lavanila, lodisia.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT