Toekarena

Fandraharahana eto Madagasikara Maro ny sehatr’asa mila trandrahina


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2019

Ao anatin’ny fiandrasana ny fanatanterahana ireo fampanantenana marobe nataon’ny mpitondra isika amin’izao fotoana izao. Misy ny mandeha fa na ilay izy aza efa tamin’ny fotoana lasa.

 

 

 Ho an’ny mpandraharaha, tsy dia mahafantatra firy ny fandehan’ireny zavatra miainga ireny, hoy ny fanehoan-kevitr’i Lahatra Andriamahatsangy mpandraharaha. Ny resaka fandraharahana amin’ny ankapobeny eto Madagasikara dia marobe ny orinasa ary maro ny sehatra azo hampiasam-bola kanefa ny mahagaga ho anay, raha ny fahatsapako, dia misy ireo sehatr’asa tsy dia misy loatra ny mikarakara azy, hoy izy. Ohatra iray noraisiny ny tontolon’ny fialam-boly toy ny eto Antananarivo, izay tsy ampy ho an’ny mponina. Amin’ny ankapobeny, ireo mpandraharaha misehatra amin’ireny, dia tsy mitodika firy amin’izany toy ny fanatanjahantena, parc d’attraction, sinema,… Ny fitondrana amin’izao dia efa nanome toky fa marobe ireo sehatr’asa sy zavatra hiainga eto Madagasikara, ka miandry ny fiaingany. Ny irariana dia hisokatra ho amin’ny mpandraharaha rehetra izany na eo amin’ny sehatry ny fanjakana na ny tsy miankina, hoy ny hetahetany. Misy, ohatra, ny famatsiam-bola momba ny fihariana izay efa manomboka mivoaka tsikelikely ka manantena ny mpandraharaha Malagasy fa tsy olom-bitsy na sehatra tokana no hahazo azy ireny fa hivelatra amin’ny sehatra rehetra manerana ny Nosy fa tsy eto Antananarivo irery.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT