Toekarena

Fandraharahana eny anivon’ny banky Mbola tena mampalaina ny Malagasy


  • Alarobia 29 Novambra 2017

Mbola latsaky ny 10 %-n’ny Malagasy no mampiasa ny asa fandraharahana eny anivon’ny banky. Anisan’ireny ny fitehirizam-bola, ny fihindramam-bola….

Anisan’ny antom-pisian’ilay « Salon de la Microfinance des banques et des Assurances » tanterahina etsy amin’ny tokotanin’ny Lapan’ny tanàna Analakely nanomboka omaly ka haharitra roa andro. Tanjona, hoy Andrianirina Dera, tompon’andraikitra eo anivon’ny Editcom ny hampiroboroboana ny sehatra ara-bola eto amintsika ka hampahafantarina ny rehetra ireo karazana tolotra misy manaraka ny fivoaran’ny toetrandro sy ny teknolojia avo lenta. Tafiditra ao anatin’izany ny Mobile banking, ny fandoavam-bola amin’ny alalan’ny internet, ny fitehirizam-bola sy ny zanany alaina aminy. Tsiahivina fa ity no andiany voalohany amin’ny Salon de la microfinance,  izay marihina fa efa tokony ho notanterahina tamin’ny volana oktobra lasa teo saingy noho ny fiparitahan’ny valanaretina pesta dia voatery nahemotra indray. Anisan’ny mandray anjara mavitrika ao ny Cnaps izay marihina fa miezaka ny manatsara ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa manerana ny Nosy. Tolotra maro no hampahafantariny ny mpanjifa toy ireo fepetra hahafahana miditra ho mpikambana,  ireo tombontsoa  mety ho azo mandritra ny fotoana hitondrana vohoka sy hiterahana ka tsy hahafahana miasa ho an’ny vehivavy, ny loza am-perinasa mety hahazo ny mpiasa ... Ho an’ireo mpanjifa kosa dia zava-dehibe tokoa ny fisian’ny hetsika tahaka izao hahafahana mamantatra ireo karazana tolotra misy momba  ny vola manaraka ny fivoaran’ny toetrandro nefa tsy manahirana sady  tsara fiarovana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT