Toekarena

Fandraharahana ara-toekarena Miantso ny sehatra tsy miankina ny Minisitry ny Indostria


  • Talata 01 Febroary 2022

Miantso fiaraha-miasa akaiky amin'ny sehatra tsy miankina ny minisitry ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra ary ny Fanjifana Atoa Edgard Razafindravahy omaly,

nandritra ny fihaonany tamin’ireo mpikamban’ny FIVMPAMA (Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy). Tombony lehibe ho an'ny mpandraharaha sy ny tontolon'ny fandraharahana malagasy ny fananany minisitra mpandraharaha eto anivon'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana (MICC) hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy nandritra ny fifampiresahany niaraka tamin'ireo mpikambana ao anatin'ny FIVMPAMA. Fihaonana notontosaina omaly folakandro tetsy amin'ny Vaniala Antsakaviro. Nanentana ireo mpandraharaha malagasy ny tenany hiara-hamindra amin'ny Fitondram-panjakana ho fampiroboroboana ny tontolon'ny fandraharahana ary hanangana fotodrafitrasa matanjaka ho amin'izany. Nambara fa mbola malalaka ny seham-pihariana amin'ireo vokatra ilaina eto an-toerana vary, menaka, siramamy, famokarana simenitra. Vitan'ny mpandraharaha Malagasy izany. Ho an'ny Minisitera, hitsangana amin'ity herinandro ity, hoy Edgard Razafindravahy, ny rafitra hanamorana ny dingana ara-panjakana ho an'ny mpandraharaha malagasy, hitantsoroka bebe kokoa azy ireo toy ny amin'ny fikarakarana fahazoana ireo fankatoavana samihafa. Miantso antsika, andao hiaraka hanangana hampisondina ny mpandraharaha malagasy, hoy ity Minisitra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT