Toekarena

Fandraharahana ara-toekarena Ilaina ny traikefan’ny vahiny


  • Alatsinainy 28 Janoary 2019

Hiditra amin’ny edisiona fahefatra amin’ny hetsika ASIA-ENJOY indray ny mpikarakara, dia ny agence Première Ligne, amin’ny 30 martsa ho avy izao.

 

 

 

 Nanambara izy ireo fa ny 40% amin’ny fampirantiana ao dia hoentin’ireo firenena matanjaka avy any Azia. Ilain’ny mpandraharaha Malagasy ny fahaiza-manaon’ireo vahiny ireo, indrindra ahafahana mitsirika sy mitady hirika amin’ny tsena iraisam-pirenena. Hampiavaka ity hetsika ity ny fanasana maimaimpoana ho an’ireo mpandraharaha Malagasy mba ho fananganana tontolo iainana sy rivo-baovao ho an’ny fandraharahana sy ny toekaren’i Madagasikara. Teny filamatra noraisin’izy ireo ny hoe “sur la route de l’émergence” ahafahana mametraka ireo asa fampandrosoana, indrindra hahalasa lavitra ny toekarena Malagasy. Amin’ity hetsika ity ihany koa ny hanairana ny fitiavan-tanindrazana ara-toekarena (patriotisme économique) izay tokony hananan’ny mpandraharaha sy mpamokatra Malagasy, hoy ny mpikarakara. Tsy vitan’ny mijery fotsiny ny traikefan’ireo vahiny fa mandray lesona ary miezaka manana hambom-po hametrahana ny vokatra Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Amin’ny hetsika sahala amin’itony no tokony hanosehana tanteraka ny mpandraharaha Malagasy izay ny ankamaroany dia mitaraina ny amin’ny fiakaran’ny vola aloa. Maro mantsy no manana vokatra tsara fa noho ny tsy fahatakarana sy ny tsy fananana ny hofan’ny tranoheva dia tsy afa-manoatra.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT