Toekarena

Fandraharahana ara-bola Ny 18%-n’ny sehatra ara-dalŕna no misitraka azy


  • Alarobia 10 Mey 2017

Notontosaina tetsy amin’ny Le pavé Antaninarenina omaly ny atrikasa mikasika ny fanapariahana ny fandraharahana ara-bola eto amintsika.

Araka ny fanazavan’ny mpandrindra ny tetikasa, Tiana Ramparany, dia ny taona 2012 no efa natao ny fanadihadiana sy fitadiavana paikady ahafahan’ny eny ambanivohitra misitraka izay fandraharahana ara-bola tsy manavaka izany ary rehefa hita fa niroborobo teto amintsika ny fanapariahana izany tamin’ny alalan’ireo tambajotram-pifandraisan-davitra dia nitsiry ny hevitra ny amin’ny hampivondronana rafi-pitantanam-bola misy eto amintsika sy ireto tambazotra ireto ary ireo mpahairaha vaovao (nouvelle technologie). 41% ny Malagasy maherin’ny 18 taona hatreto no mbola tsy afaka misitraka fandraharahana ara-bola ary ho an’ireo sehatra ara-dalàna any ambanivohitra dia 6% fotsiny no afaka manao izany amin’ireo banky ary 12% eo ho eo no afaka manao azy io amina rafitra mpampindram-bola.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT