Toekarena

Fandraharahana ara-barotra Sahirana ny Malagasy


  • Alarobia 29 Mey 2019

Latsaka ambany tanteraka ankehitriny ny fahefa-mividin’ny Malagasy Mahatsapa izany ny mpivarotra ary tena hita mihena mandrakariva ny fahefa-mividy.

 

 

 Amin’ny lafiny haingo, ohatra, dia nanambara ny ankamaroan’ireo mpivarotra ao amin’ny AVANCE CENTER Behoririka fa tena misy ny tsena rehefa fotoanan’ny fetin’ny reny. Tamin’ny farany teo anefa dia tena vitsy ny mpanjifa ary ambany be ny vola niditra raha oharina tamin’ny taona 2018. Anisan’ny mampikaikaika ny mpivarotra ihany koa ny fidangan’ny hofantrano alain’ny sinoa izay mahatonga azy ireo niala tsikelikely. Manginy fotsiny, hoy izy ireo ny fatiantoka rehefa misy foara sy tsena any ivelany, indrindra amin’ireo karazana fety. Aleon’ny olona mantsy manjifa eny amin’ireny toerana ireny toy izay hiditra mankany amin’ireo botika izay efa malaza ho lafo entana. Efa mipaka amin’ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy ity fahefa-mividy latsaka ambany dia ambany ity ary hita ho sempotra tanteraka ankehitriny ireo mpandraharaha ara-barotra.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT