Toekarena

Fandraharahana any amin’ny tontolo ambanivohitra Tsy misy ny paikady mazava eto Madagasikara


  • Alarobia 23 Mey 2018

Omaly no nampahafantarina tetsy amin’ny EDBM ((Economic Development Board of Madagascar) ny fisian’ny atrikasa atao eny ifotony izay hakana ny hevitr’ireo mpiantsehatra rehetra any amin’ny tontolo ambanivohitra.

Iaraha-mahalala fa ny 80%-n’ny vahoaka Malagasy dia mipetraka any ambanivohitra kanefa lavitry ny fandrosoana hatrany. Hatramin’izay dia tsy nisy ny paikady mazava fa zary lasa resaka ambony latabatra mandrakariva ny fampiroboroboana ny fandraharahana any. Mila mazava anefa ny paikady enti-miatrika ny fandraharahana any ambanivohitra izay miainga amin’ny fahaiza-manao sy ny manavanana ny mponina any amin’ny sehatra fihariana rehetra. Nisy ny fananganana ny komity mikarakara ny fandraharahana any amin’ny tontolo ambanivohitra miaraka amin’ireo sehatra tsy miankina izay natomboka tamin’ny volana oktobra 2017 teo. Hidina eny ifotony any amin’ny faritra maro tahaka ny faritra SAVA sy Fort Dauphin ireo komity ireo ary hijery ny fampivoarana haingana tokony hatao any manomboka amin’ity volana ity. Hiainga amin’ny fakana ny hevitr’ireo tanora sy ny vehivavy any ambanivohitra aloha izany. Aorian’izay dia hojerena akaiky ny olana sy ny sakana ny amin’ny fandraharahana sy ny famoronana orinasa any. Marihina fa 14 eo ny minisitera voakasik’ity atrikasa amin’ny fandraharahana ity ary efa maro be ny fanampiana sy fitaovana azo kanefa tsy misy mivaingana noho ny tsy fisian’ny paikady mazava. Tokony hatao vaindohan-draharaha ny asa fanatanterahana aorian’ity paikady atsangana ity fa efa maro hatrany ny tambanivohitra  any amin’ny toerana misy azy no mitsoaka miakatra aty an-tanàn-dehibe noho ny fahantrana mianjady aminy.


Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT